Nankahery ny tanora hanaraka ny dia'i Masina Maria ny Papa François, mandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny Tanora, ankalazaina amin'ny fetin'i Kristy Mpanjaka. "Niainga i Maria ka nandeha faingana" ( Lk 1,39), io no lohahevitry ny hafatra izay fanasana ny tanora, mba hitondra an'i Jesoa ho an'ny hafa, ka hitsinjo ny namana, amin'ny fanorenana fiaraha-monin'ny mpiray tampo, hanatanteraka ny nofy hiaina ao anatin'ny fiadanana. Fanolorana ny hafatry ny Ray masina ho an'ny tanora miaraka amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary

Ny 08 desambra no andro natokan'ny Eglizy katôlika hankalazana ny fetin'i Masina Maria tsy azon-keloka, indrindra isika eto Madagasikara satria izay no mpiaro voalohany ity nosy ity. Tamin'ny taona 420-430 no nisian'ny fahatairana sy alahelo lehibe nisy teo amin'ny kristiana tany Efezy satria nisy ny filazana nataon'ireo nosterius fa tsy azo antsoina hoe "renin'Andriamanitra" i Masina Maria. Ny 11 ôctôbra no fankalazana ny fety maha renin'Andriamanitra an'i Masina Maria. Izy no reny fankatahaka ho an'ny reny rehetra ary itokian'ny olona maro...

Zava-dehibe ny fahafahana ka tokony ho tsapan'ny tsirairay fa tsy tokony hanohitohina ny fahafahan'ny hafa ny fahafahana ananana. Ny zon'olombelona, ny lalàna, ny dina ary ny fady no mamehy ny atao hoe "législation". Betsaka ny olona manitsakitsaka ny lalàna sy ny didin'Andriamanitra ka mahatonga ny korontana, izay mahavery zo ny hafa, ary tsy mahatontosa ny adidiny noho ny fanelingelenana ataon'ireo milaza ho manana fahafahana diso tafahoatra. Ilaina ny manoa ho zava-dehibe ny fifampifehezana eo amin'ny fiaraha-monina izay mifototra amin'ny lalàna. Tokony hasongadina ny "dina" sy ny "fady" satria iry voalohany dia hifehezana ny fiaraha-monina, fa ny faharoa kosa dia hanabeazana ny ankizy sy ny adolantsento...

Mivavaka ho an'ny fanahin'ireo nodimandry ao amin'ny afo fandiovana isika mba hitalahoana ny famindram-pon'Andriamanitra ho an'ny fanahin'izy ireo. Mba hahafahana manana ny fahamasinana ilaina idirana any amin'ny fiainana mandrakizay, ireo nodimandry ao amin'Andriamanitra dia mandalo ao amin'ny afo fandiovana, dingana hanafahana azy ireo tanteraka amin'ny fahotana. Fandalinam-pinoana momba ny afo fandiovana irahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Émilien

Sabotsy 17 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 1-17

Zoma 16 desambra 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitray ô, ny tavanao aseho dia ho voavonjy izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 33-36

Alakamisy 15 desambra 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 24-30

Alarobia 14 desambra 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Tongava, ry Tompo, ary aza ela: vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 19-23

Talata 13 desambra 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 28-32

Alatsinainy 12 desambra 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ho avy ny Tompo, tsenao izy; Izy no Mpanjakan’ny fiadanana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 23-27

Alahady 11 desambra 2022 — Alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 2-11

Anisan'ny hatsaram-panahy ankasitrahan'ny Evanjely, ary nampianarin'i Jesoa matetika ny mpianany ny hatsaram-panahy maha bitika. Hatramin'ny namoronan'Andriamanitra ny olombelona, indrindra hatramin'ny nidiran'ny fahotana teo amin'ny fiainan-janak'olombelona dia hita fa te ho lehibe eo amin'ny samy mpiara-miaina ny tsirairay, te hisongadina, mieboebo... Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...