Noraisin'ny vaomieran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny rariny sy ny fiadanana ho fanamarihana ny 08 marsa ny loha-hevitra hoe : ny vehivavy sy ny fananan-tany. Nisarihana ny fisainan'ny rehetra ny mba hanomezana hasina ny vehivavy ny hoe : mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, tsy eo amin'ny lafiny ara-nofo sy ara-tsaina fotsiny ihany fa eo amin'ny maha-olona azy mihitsy koa. Ny vehivavy dia omen'ny lalàna zo mitovy feno sy mitovy amin'ny zon'ny lehilahy amin'ny lafiny fananan-tany. Mandrisika ny vehivavy ny tompon'andraikitra mba hiroso amin'ny ara-dalàna afahana misitraka sy manamafy ny fizakan-jo ; ohatra ny fisoratam-panambadiana. Maro ny vehivavy misehatra amin'ny asa fananan-tany ary mendrika amin'ny asa ataony... 

Ny 08 marsa no fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy. Ny loha-hevitry ny fanamarihana amin'ity taona 2023 ity dia : "Fanabeazana ny ankizivavy, fampizankan-tenan'ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy". Ny 8 marsa dia andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy satria hita kokoa ny fisongadinan'ny fihenan-danjan'ny hasin'ny vehivavy. Isan'ny zo : manan-jo hiaina ao anaty fahalalahana tsy hiaran'ny herisetra ; zo ho salama vatana saina, zo hahazo fahalalana, zo hifidy, zo hanana asa mendrika, zo hanana fananana. Hafatra : aoka isika hafantatra ny zon'ny vehivavy...

Saro-pady ny maso ka ny hany fahendena dia ny fanatonana mpitsabo, raha vao misy fisehon-javatra hafahafa eo amin'ny maso. Mizara ho faritra roa ny maso, ka samy mety ho tratry ny aretina na hisy tsy fahatomombanana, na ny faritra anatiny na ny ivelany.

Maro ny tsy fahatomombanana mpahazo ny maso ka misy ireo ilàna fitsaboana amin'ny alalan'ny fanafody ary misy koa ireo tsy maintsy hampiasàna solomaso. Ny olan'ny fahitana dia misy ireo tsy mahita halavitra na ireo tsy mahita akaiky. Ny fiforonana sy ny fitomboan'ny voamason'olombelona dia amin'ny faha-10 taonany vao tomombana tanteraka. Fandaharana "andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Mitondra ny fahaiza-manaony miaraka amin'ny mpiara-miombona antoka amin'ny fandrakofana ala an'i Madagasikara ny Foibe Fafiala, manana ny foiben-toerany eny Ambohimangakely, Antananarivo Avaradrano. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy ny zoma 24 febroary 2023, ny fiaraha-miasan'ny Foibe sy ny Conservation International.

Efa tsy azo ihodivirana ny firoborobon'ny tontolo nomerika noho ireo voka-pikarohana vaovao sy ireo teknôlôjia nomerika. Misy fanabeazana tsy maintsy atao anefa mba hanafoanana ny elanelana misy eo amin'ny lahy sy ny vavy amin'ny fahafahana mirotsaka sy misehatra ao amin'ny tontolo nomerika.

Tena ilaina ny filaminana satria miteraka filaminan-tsaina, filaminam-po, filaminam-panahy ; mba hitondra fiadanana sy fifaliana eo amin'ny tsirairay, eo amin'ny ankohonana, eo amin'ny fiaraha-monina, ary rehefa itarina dia hatrany amin'ny firenena...

Ny aretina "bilarziôzy" dia aretina azo avy amin'ny kantsentsitra, miditra amin'ny maso-koditra, rehefa milona anaty rano, mety nisy sifotra ny olona iray. Misy karazany telo ny "bilarziôzy" arakaraky ny kantsentsitra tafiditra ao amin'ny olon iray, amin'ny alalan'ny maso-koditra dia : ireo manafitaka ny tsinay, ny faharoa dia ireo manafika ny tatavy ary ny farany dia ireo mahazo ny tsinay sy ny atidoha. 24 ora hatramin'ny 18 herinandro aorian'ny nirobohany rano ka tsy nanasa tongotra na nandro dia mety hare mangidihidy sy malailay, ilay olona, manavy, marary ny vanin-taolana... Ny "bilarziôzy" dia mety hijanona ao amin'ny olona iray mandritra ny 15 hatramin'ny 20 taona. Ho fisorohana io aretina dia tokony hanaja ny fahadiovana ny rehetra...

Ahiahiana ho miverina ao amin'ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany indray ilay valan'aretina "Fièvre de la Vallé de Rift" na ny FVR efa nirongatra tany amin'ireo Faritra ireo ny taona 2021. Aretina mahazo ny omby sy ny ondry ary ny osy, izay mety mifindra amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny kaikitry ny moka sy ny fikarakarana ny biby misy trangan'aretina ny FVR. Nanomboka hita tao Vatovavy sy Fitovinany ity aretina ity ny volana janoary lasa teo, ka omby 20 isa no efa maty ho an'ny ao Mananjary sy ny Nosy-Varika...

Ny olombelona dia tsy vatana fotsiny ihany fa saina sy fanahy ihany koa. Tsy olombelona manana filàna ara-batana fotsiny aho, fa olona manam-panahy ihany koa ka manana filàna ara-panahy. Ny fahalalana ara-tsiansa ananako mikasika ny tena dia tsy mahalaza ny zavatra rehetra momba ahy. Ny maha-olona feno ahy dia izao zava-boahary mari-toerana tsara. Misy aho ary velona satria manana vatana, saina, fihetseham-po, filàna ara-piaraha-monina sy ffandraisana ara-panahy amin'Andriamanitra...

Ny fahatsiarovana ny maha olom-pirenena vanona dia mitondra fahatsaram-piainana sy fivoarana ary fandrosoana ao anatin'ny filaminana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny ny amin'ny fiainan'ny tanora 18 hatramin'ny 21 taona, manoloana ny fitiavana. Misy ny fironana mampiahiahy ankehitriny ny amin'ny fiarahan'ny olon-droa mitovy fananahana. Tokony hanitsy ny fiheverany ny tanora fa tsy ny firaisana ara-nofo no tena atao hoe porofom-pitiavana. Betsaka ny tanora no manambany ny tenany ka mahalaza manao hoe : ratsy tarehy izy. Ho an'ireo +18 : Ny fidirana amin'ny sehatry ny fitiavana dia tsy midika hoe tara fa kosa manana fotoana kokoa aza handinihana ireo tokony hatao. Tsy voatery ho fahadisom-panantenana no manosika ny tanora hifankatia mitovy fananahana, isan'ny antony ireny ny fomba fanabeazana ireo tanora ao an-trano na eny amin'ny fiaraha-monina.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...