Somary sarotra ny famaritana ny aretina mahazo ny fo satria maro ny taova manodidina ity taova ity ary indrindra ao anaty tratra. Mila famonjena faran'izay haingana ny fanaintainan'ny fo satria 30 hatramin'ny 120 minitra ihany no afahana mamonjy ity olana mpahazo ny fo ity. Mety ho fanaintainana eo amin'ny hatoka, sandry havanana, valanon-drano no fambara amin'ny olan'ny fo, fa tsy voatery ny fo mivantana, noho izany vao misy ireo fambara ireo dia tokony hanantona toeram-pitsaboana.... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Tsy manao ambanin-javatra amin’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely iantsorohan’ireo mpikambana ao aminy ny tambazotran’ny Sendikan’ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Nikarakara atrik’asa nandalinan’ireo mpikambana ao aminy ny lalam-pihariana fiompiana tantely ireo ny faha 4 sy ny faha 5n’ny volana may teo. Atrik’asa natao teto an-drenivohitra teny amin’ny FOFIKRI Ilafy Antananarivo Avaradrano...

Maro ny voka-dratsy vokatry ny fihinanana paraky sy fifohana sigara, amin’ny tena sy ny manodidina, tsikaritra fa miha tanora ny mpanjifa azy ireo. Mahatratra eo amin’ny 4000 eo ny karazana poizina entin’ny setroka sigara: hhatra nicotine, goudron, monoxyde de carbone, cyanure d’hydrogène; etsy ankilany ny paraky dia manana taha mihoatra lavitra ny nicotine ao anatin’ny sigara telo fohana. Mila fiaraha-mientana ny ady amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ny reny no tompon'andraikitra voalohany hampita amin'ny zanany vavy ny hahareny azy koa amin'ny ho avy. Noho izany, manana adidy izy hampiseho fahamendrehana amin'ny lafiny rehetra. Misy toetra fototra tokony hananan'ny reny dia ny fahamendrehana amin'ny lafiny fitafy, fihetsika, fiteny ary indrindra ny fahaiza-mihaino... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Manomboka ao anatin'ny vava ny taova fandevonan-kanina, lela, nify, tenda, aty, sarak'aty, vavony, tsinay. Antony mampikorontana ny taova : kalitao sy ny fatran'ny sakafo, matsiro loatra na mahatsatso loatra, sakafo matavy na tsy mahazatra, sakafo tsy sahaza, sakafo tsy zaka ; ankoatra ireo dia mety ho tsy fahasalamana mahazo ireo taova mandrafitra ny fandevonan-kanina, mety ho otrik'aretina, ny fisian'ny kantsentsitra ao anaty tsinainy. Isan'ny antony mampikorontana ny taova fandevonan-kanina ihany koa ny fikorontanan-tsaina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Mandritry ny fanabeazana ireo ankizy sy zavatovo dia efa atomboka ny famolavolana azy ho amin'ny adidy sy andraikitra maha olon-dehibe sy ny ha-olon-dehibe. Raha fianakaviana tsy ampy fifaneraserana sy fifanankalozan-kevitra dia mety ho olana ho an'ny fanabeazana satria hahazo vahana kokoa ny toro-hevitra sadasada any amin'ny fiahara-monina ivelan'ny tokantrano. Ilaina araka izany ny fifankahazoana am-po eo amin'ny mpianakavy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ny Sohika dia aretin'ny taova-pisefoana, ka ny mpitsabo Pneumologue - Allergologue no havanana amin'ny fitsoina ity aretina ity. Manomboka amin'ny fahavalo volan'ny zaza dia mety efa hisehoan'ity aretina ity. Mety hisy fahasarotana ho an'ireo zaza mararin'ny Sohika anefa misy ny fampianarana ireo ray aman-dreny mba hanampy azy ireo. Fambara : Rehefa mikohota dia mety ahazo rehoka fotsy, misy feo ny tratra, reraka ary tsy mahita tory firy amin'ny alina, malain-komana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Mitohy ny fiaraha-miasan’ny tranoben’ny tantsaha sy ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny Sakafo sy ny fambolena na ny FAO amin’ny alalan’ny FFF (Forest and Farm Facility), tetik’asa mifototra amin’ny Famokarana Miatrika ny Fanajàna ny Tontolo Iainana sy ny zavaboary ary ny fampifanantonana ny mpamokatra ahazo tombony tsara tsara kokoa...

Fototry ny fampandrosoana ifotony sy fanavaozana maharitra ny olom-pirenena mandray andraikitra. Mba handraisan'ny olom-pirenena anjara amin'ny fampandrosoana dia ilaina ny hafantarana ny adidy sy zo. Ny fifanankalozan-kevitra dia afahana mahatakatra bebe kokoa ny olana sy ny fanamby ankehitriny, ary hampiroborobo hetsika maha olom-pirenena azo tanterahina sy hita maso... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ny raim-pianakavina dia lehilahy izay lohan'ny fianakaviana sady vady, manana zanaka, andry iankinan'ny ankohonana. Ny fanamby ankehitriny dia ny fitaizana ny ankohonana manoloana ny fivoarana, eo koa ny fahasarotan'ny fitadiavam-bola ka lasa misara-toerana ny mpianakavy ary misy ny fahabangan'ny ray amin'ny fitaizana ny zanaka ; entanina ny raim-pianakaviana hanao ezaka mampiseho ny fisiany ao an-trano... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco, niarahana tamin-dRamatoa Aliette Abraham.

Ny fanabeazana sy ny fitaizana dia tsy afaka misaraka, ary mifameno. Ny fanabeazana dia fanomanana ny zanaka ho tompon'andraikitra ka ny ray aman-dreny no tahafina amin'izany, mba hahay handrindra ny fiainana, hamelona sy hiaro ny ankohonana ary indrindra hitsinjo ny ho avy; etsy ankilany ny fitaizana dia fampitana fahalalana, hahazoana fahaizana, faharanita-tsaina, izay rantovina any am-pianarana. Ny fanabeazana dia mirona amin'ny rafi-tsaina fa ny fitaizana dia mandrani-tsaina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fivoarana sy ny fandrosoana : Manambara fifindrana, na ezaka na hetsika, ho amin'ny toerana tsara kokoa. Ireto fototra dimy ireto no tokony hifandanja mba handavorary ny fandrosoana : ara-batana, ara-tsaina, ara-po, ara-panahy sy ny maha-olona ara-piaraha-monina. Toetra sakana : Mifosa mandany fotoana sy manakorontana ny fiaraha-monina... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco, niarahana tamin-dRamatoa Aliette Abaraham.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...