Ny fiainan'ny olona dia mitohy hatrany, avy nandranto fianarana dia mitohy any amin'ny sehatry ny asa na sehatra hafa, indrindra ny sehatry ny fanambadiana. Ny fitiavana dia : fahasamihafana, fifamenoana, fifanekena, fifaliana, tebiteby, fiainana lava be. Ny olona mifankatia dia mampisongadina ny fahasamihafàna ary tonga amin'ny fifamenoana, ary mifanaiky hifampitantana amin'ny fiainana. Ny dingam-piainana isan-karazany dia ampy hanefy ny olona ara-po hatanty ny ratram-po.

Ny fampinonoan-dreny dia dinga iray eo amin'ny fitondrana ny zanaka ary adidin'ny reny. Ny fotoana ahafantarana fa mitondra vohoka ny vehivavy dia efa tokony hivonona amin'ny fampinonona izay ho reny. Ny nonon-dreny dia manampy ny zaza amin'ny fitomboany satria mbola marefo ny taova ao anatiny, sady sakafo no vaksiny ho an'ilay zaza. Ny fampinonoan-dreny dia manampy ny reny hamerina ny toe-batany sy ny taova rehetra. Ny fampinonoan-dreny dia atao tsy misy fangarony anatin'ny 6 volana.

Ny volana jona no fotoana hanamarihana ny fetin'ny fahaleovan-tena ho an'ny Malagasy. Fotoana toa izao no tokony hampahafantarana ny olona rehetra ny antony hankalazana ity fety ity. Ny fananganana ny saim-pirenena dia mariky ny fiandrianam-pirenena. Ny tantara mikasika an'i Madagasikara dia saika nosoratan'ireo mpanoratra vazaha toa an'i : Grandidier, Flacourt, Jeacques Tronchon ; ka maro ny zava-misy niniana nafenina ary izay no mahatonga ny hisalasala. Tokony hampientana ny fo tanteraka ny fiverenan'ny fahaleovan-tena ary izay no antony hananganana ny saim-pirenena miaraka amin'ireo fomba amam-panao entina hankalazana izany (arendrina, lanonana, sakafo...)

Fanontaniana tsy maintsy hapetraka ity fanontaniana ity mba hanehoana ny fitiavana ny tanindrazana dia ny hoe : Inona ny anjara biriky azoko hatolotra ho fanasoavana an'i Madagasikara?. Tsy tokony hifanome tsiny na hifampiandry ny hafa isika mba hampandrosoana ny firenentsika. Ny fahombiazan'ny tsirairay no tonga ho fahombiazan'ny firenena iombonantsika. Ny fahasalamana no voalohan-karena ka raha salama ny tsirairay dia afaka hamokatra ho azy sy ny firenena, izay anjara biriky kely ihany.

Ny vehivavy avy niteraka ka tsy mahatana ny amany, izay tokony hivoaka amin'ny lalany ara-boajanahary fa lasa manaraka ny lalan-jaza no tiana holazaina amin'ny hoe "aretina mamany lava". Miteraka fofona io aretina io rehefa tsy voatsabo, ary iharan'ny fanilikiliana eny anivon'ny fiaraha-monina ny vehivavy tratran'io tsy fahasalamana io. Ny antony mety mahatonga azy dia ny fahateren'ny hoditry ny lalan-jaza sy ny tatavy na ny tsinaibe noho ny faharetan'ny fotoana fiterahana ka misy faharovitana ireo taova ireo. Mba hisorohana izany dia tokony ho maoty ny vehivavy vao miatrika ny fitondrana vohoka sy fiterahana.

Miainga amintsika tsirairay ny afahana mampandroso an'i Madagasika, amin'ny lafiny ara-pahasalamana momba ny vatana, ara-po izany hoe fitiavana, ara-tsaina ary ny ara-panahy satria ireo no isan'ny fototra maha olona. Tokony hanana fahazarana ny olona rehetra hanao ireo manaraka ireto : famantarana ny tombony sy ny hery ao aminy, ny leseko tokony harenina, ny zavatra hafa fanararaotra ary ny sakana tsy afahana mandroso. Raha ireo no fantatra dia azo antoka ny handrosoan'ny firenena. 

Ny fahasalamana dia mifototra amin'ny : vatana, saina, fanahy. Misy tanjona fifampitsinjovana amin'ny maha-olona izay tsy mijanona ho an'ny tena irery fa ho an'ny manodidina ihany koa. Io fifampitsinjovana io no mitondra amin'ny fahasalamam-bahoaka. Ny fahasalamam-bahoaka tomombana no taratry ny fandrosoan'ny firenena. Rehefa misy ny hetsika ara-pahasalamana sy fanentanana ataon'ny Fanjakana dia tokony havitrika ny rehetra mba hitsinjovana ny fahasalaman'ny rehetra.

Mifandraika amin'ny ady amin'ny kolikoly ny tetika ama-paika tsotra hanara-maso ny fianaran'ny zanaka miasa isan'ambaratongany ; ohatra : ny fanomezana zavatra ho an'ny mpampianatra izay efa endrika kolikoly. Amin'ny maha sekoly voalohany ny ankohonona dia tokony ho tsapan'ny ray aman-dreny fa izy no mpampianatra voalohany ny zanany. Ny fiteny sy ny fihetsika dia tokony hotandremana fa ireny no tahafin'ny zanaka. Volavolaina ny sain'ny ankizy fa ny fianarana notovozina tamin'ny kilasy fototra no hampiana hatrany isaky ny misondrotra kilasy, noho izany koa dia misy olana matetika ny ankizy nampandinganana kilasy... Fandaharana "ampela miary".

Ny risoriso dia fanaovana zavatra tsy ara-dalàna sy tsy amim-pahamarinana. Ny fanaovana risoriso dia miteraka fahavoazana ho an'ireo manao azy, anefa mety hakasika ny rehetra ihany koa, izany hoe manimba zavatra maro. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ny herisetra dia misy endriny maro toy ny risoriso ihany. Misy ny herisetra amin'ny vatana, amin'ny saina ary amin'ny fanahy ihany koa. Miteraka fahasimbam-piainana ireo herisetra rehetra ireo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zanaka dia hanana ny fahavanonam-piainana izy. Ho lavitry ny herisetra sy ny risoriso izay manapotika ny fiaraha-monina izy ireo raha voataiza hanaraka ny lalana tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Raha tian'ny ray aman-dreny ny hanana taranaka vanona sy mendrika dia mila manao ezaka ny  rehetra mba hanome fanabeazana ao anatin'ny fahamarinana. Ny fahamarinana dia antoka iray mampifanakaiky am-po. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...