Fandaharana "Mba ho vanona" : famintinana ny natao nandritry ny  taom-piasana 2021-2022. Taom-piasana niresahana ny fananganana ny rindrin'ny fahavanonana : ny maha-olom-banona, ny maha-olom-pirenena ary ny tamberin'andraikitra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny fahatsorana dia toetra voajanahary ao amin'ny olona indrindra ho an'ny zaza. Rehefa mihalehibe ny olona iray dia mihataka amin'ny "fahatsorana" tsikelikely satria tia manasarotra zavatra izy ireo mba hilazany fa manandanja ny zavatra iray. Ny fahatsorana dia ahitana foto-teny  hoe "tsotra" izay midika hoe tsy miolakolaka na mangarahara. Fandraharana "Ampela miary" vokarina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny andro mangatsiaka no mampihetsika ny aretim-bavony, izany hoe ny vanim-potoana ririnina. Ny aretim-bavony dia misy karazany maro : mamaivay, fery anaty, mandrezatra lava, mitsakoahana lava, loaka na maratra na tapaka ny lalan-kanina, ny homamiadan'ny lalan-kanina na ny homamiadan'ny vavony. Ireo fambara mety hisy : maheno fivokonana na mikainkona ao anaty vavony, mamaivay, maloiloy ary mety hando, miziriziry. Ireo karazan-tsakafo mety hampiombo ny aretim-bavony : sakafo betsaka "épices", vinaingitra, toaka, fihinanana fanafody fanalana fanaintainana matetika tsy araka ny toro-mariky ny mpitsabo.

Ny fahatokisan-tena no manala ny sakana anaty, ity farany ity, izay mitondra any amin'ny tsy fandrosoana mihitsy ho an'ny olona. Ny tsy fahatokisan-tena dia azo lazaina ho manapotika ny fiainana mihitsy. Fandaharana "Mba ho vanona" momba ny fahatokisan-tena, iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.

Tsy misy zavatra milamina raha tsy misy fandaminana, izay miainga amin'ny saina mba hampahomby ny taom-pianarana manaraka vaovao. Ny fialan-tsasatra alamina sa milamina no antoky ny fahombiazan'ny taom-pianarana ho avy, amin'ny fomba ahoana?. Ny fialan-tsasatra dia fialana amin'ny zavatra nahazatra na ara-tsaina na ara-batana ; miavaka amin'ny fialamboly izy io satria lava kokoa ara-potoana. Ny hamaritana fa mahomby ny zavatra hatao dia izy ahazoana tombontsoa na vokatra tsara. Ny telozorom-panabeazana no tena tokony misitraka ny fialan-tsasatra ; ireo rehetra voakasika dia mila mandamina mialoha ny saina, ny fandaniana, asongadina ny zavatra laharam-pahamehana.

Ny taovam-pananahan'ny lehilahy dia manana firafitra, izay hita ety ivelany sy ny any anaty. Ireo tazana ety ivelany dia ny filahiana, ny voa izay misy fonony ; ireo ao anatiny kosa dia ny fantson'amany sy ny ranonaina, ny taova mamokatra ranonaina. Ireo aretina mety hahazo ny taovam-pananahan'ny lehilahy : areti-koditra, aretina azo avy amin'ny firaisana na vokatry ny tsy fahadiovana "herpes", syphillis. Mba hitsinjovana ny fahasalamana dia tsy tokony ho tery loatra ny pataloha ary tokony ho "coton" ny karazan-damba manolo-koditra, tandremana tsara mba tsy ho voadona.

Niomana ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy tao an-tranon'ny raiaman-dreniny ny lehilahy sy ny vehivavy vao nanapa-kevitra hanorin-tokantrano. Hanangana fianakaviana izy ireo ka tonga : ray, reny. Mila manana tanjona eo amin'ny fifandraisana, amin'ny fanabeazana ny zanany. Miara-manangana ny filan-kevi-pianakaviana izy rehetra ao mba hanomezana sehatra ny zanaka, mianatra manetry tena ny lehibe.

Maro ny olana manosika ny olona hanao dokotera-tena. Ireny olana ireny no vahana dia hafaona ny fanaovana dokotera-tena. Ny tsy fisian'ny foto-drafitrasa dia ny ministera no mamaha azy. Ny olana amin'ny fomba fandraisana ny marary dia ny mpitsabo tsirairay no mila manaraka fitsipi-pitondrantena tsara. Ny olona tsirairay dia mila manao ezaka mba tsy hatongavana amin'ny fanaovana dokotera-tena, izany hoe manao ezaka mba ho salama lalandava.

Ny nofinofy hanana tanjona sy dingana eo amin'ny fiainana no manala ny sakana anaty rehetra. Tsy tokony ho ny safidin'ny raiaman-dreny no hamaritra ny fiofanana na asa hataon'ny tanora fa izay nofinofiny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Desiré Ramakavelo.

Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny voka-barin'i Jeneraly Rabemanantsoa Rober tamin'ny fampiasana azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro, liana amin'ny voly vary...

Hatao ny faha 26 nôvambra izao indray ny famafazana na ny fafy saraka amin'ity taom-pambolena 2022-2023 ity, eny Itaosy, distrika Antananarivo-Atsimondrano. Fafy saraka na ketsa Saraka teknika fambolem-bary ahazoana vokatra tsara. 

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...