Hitsinjovana ny fahasalaman'ny olona rehetra dia naka fepetra ny holafitry ny mpitsabo ka namoaka fifanarahana mba hanentanana ny tsirairay hamantatra ny olona hanankinana ny fahasalamana. Mifampiankina ny andraikitry ny olona hitsabo anao sy ianao tsaboina. Ny anjara andraikitry ny mpitsabo : Fanabeazana ara-pahasalamana, manazava ny fomba hitandroana ny fahasalamana, fa tsy mandresy lahatra, izany hoe maneho hevitra ka ny olona manoloana azy no tompon'ny fanapahan-kevitra farany.
Tsy azo tsinontsinoavina ny anjara biriky entin'ny fampiasana fitaovana nohatsaraina mifanaraka amin'ny filan'ny tantsaha ary mifanaraka ihany koa amin'ny fivoaran'ny teknika misy ankehitriny. Hirika mampitombo sy manatsara ny kalitaon'ny vokatra amin'ny fambolena... Dingana sy ezaka maro anefa no nolalovan'ny Malagasy mamokatra ireny fitaovana ireny.
Tokony mahay mifampikarakara, mahay mifanampy amin'ny zavatra, ilàna fifanampiana, ny rehetra na ireo mandrafitra ny fianakaviana na ny mpivady na ny fiaraha-monina. Raha ireo fepetra ireo no tanteraka dia hisy ny filaminana sy ny fahadiovana, izay misy fiatraikany amin'ny toe-tsaina sy ny toe-po. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Desiré Ramakavelo.
Ny pesta dia aretin'ny voalavo mifindra amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny kaikitry ny parasy, na amin'ny alalan'ny piti-droran'ireo olona mararin'ny pesta, na amin'ny alalan'ny fikirakirana ireo biby mitondra ny aretina na mararin'ny pesta. Ny vanim-potoana mampirongatra ny pesta dia eo anelanelan'ny volana avrily hatramin'ny desambra anefa mety hitranga mandavan-taona ihany. Ny pesta atoditarimo dia mihombo ao anatin'ny 1 hatramin'ny 7 andro, ny pesta areti-tratra dia mety ho ao anatin'ny 24ora, ary ny pesta septisemika dia fotoana fohy. Fisorohana : fanadiovana ny manodidina, sy manoana voalavo. Ny aretina pesta dia aretina tsy maintsy ambara...
Ny ankohonana, ny fianakaviana dia anisan'ny fototra iorenan'ny Fiangonana. Mitana anjara toerana lehibe ny tsirairay ao anatin'izany fianakaviana izany. Natao hifanampy amin'ny fampandrosoana ny fiangonana miaraka amin'ireo mpisoron'ny Avo Indrindra ny ankohonana, izay no mahatonga ny Fiangonana ho fianakaviana natambatry ny finoana, ary anisan'ny mpitory ny Evanjely sy mpanitatra ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny asa sahanin'ny tsirairay, ny fanehoana amin'ny andavanandrom-piainana ny fitiavana, ny fifanasoavana eo amin'ny mpiara-belona. Izany no mirindra dia ny fahaizana miara-dalana amin'i Jesoa, ny fiainana sy famakiana ny teniny isan'andro amin'ny alalan'ny Baiboly.
Tsy fahampian'ny hery sy ny vitrika ara-batana na ara-tsaina no atao hoe havizanana. Tsy azo atao antsirambina ny havizanana. Tsy midika ho hakamoana ny havizanana ary tsy maintsy fantarina ny antony mahatonga azy raha vao misy olona mitaraina ho vizana. Mety mahazo ny sokajin-taona rehetra izy, mety mahazo ny vatana na ny saina ary mety ho miaraka vizana ireo.
Nitondra fampivoarana amin'ny seha-pamokarana eny ambanivohitra ny nananganana ireo ivon-toeram-piofanana mivondrona ao amin'ny FECAMA (Fédération des Collèges Agricoles de Madagascar). Miisa dimy ireo kolejy mivondrona ao aminy, miparitaka any amin'ny faritra dimy ary samy eo ambany fiahian'ny vovonam-pikambanana FIFATA avokoa.
Tsy fahatomombanana eo amin'ny tarazo no maha varira, ary manaranaka. Olombelona toy ny olombelona rehetra ihany anefa izy ireny, fa manana faharefoana ara-pahasalamana manokana ary tsy manana hery miafina tokony hamonoana azy ireo, fa fiarovana azo no ilainy.
Nataon'Andriamanitra ho tsara indrindra amin'izay rehetra nohariny isika olombelona. Aoka tsy hosimbaina na holotoina na horavana izay hatsarana ao amintsika izay, dia ho hitantsika fa hihatsara sy handroso ary hivelatra ny fiainantsika.
Tafita any amin'ny zanaka tokoa ve ny fampirisihana ataon'ny ray aman-dreny hoe : "ny fianarana no tena lova tsara indrindra" ? Tsy mitovy intsony amin'ny zava-nisy tamin'ny vanim-potoana nilazana izany ny tranga ankehitriny sy ny tontolo manodidina, ka izay no mahatonga ny fanontaniana hipetraka. Na inona na inona anefa trangam-piainana miseho ankehitriny dia tena mbola manana ny hasiny ny fianarana, indrindra ny any amin'ny fanabeazana fototra.
Ny Bibaka an-tenda na "goître" dia fivontosana amin'ny faritry ny tenda izay fivontosan'ny tiroida. Io tranga io dia mety ho toe-javatra mihelina tsy ilàna fitsaboana, na mety ho fambara amin'ny olana hafa mikasika ny tiroida, mety ho lehibe ka ilàna fandidiana. Ny bibaka an-tenda dia vokatry ny tsy fahampian'ny "iode" na efa tarazo, mety ho vokatry ny fifohana sigara, na raritsaina be loatra... Ny hôrmônina vokarin'ny taova tiroida dia ilaina amin'ny fiasan'ny : fo, atidoha, hozatra, taovam-pandevonan-kanina... Fambara : taitaitra, kizitina, mikorontana ny torimaso, mangovitra ny tanana, misakafo tsara fa mihamahia, midobodoboka be ny fo, tsemboka lava, manana olana @ taovam-pisefoana...
Hanohana ny FAFIALA amin'ny fampiroboroboana ny sehatr'asa ataony indrindra fa ho an'ny lalam-pihariana landy ny Ministeran'ny Asa Tanana sy ny Hai-tao sy ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Nivoitra izany nandritra ny lanonana nankalazana ny ivon'ny faha-30 taona nijoroan'ity foibe ity ny sabotsy 08 ôktôbra lasa teo teny amin'ny foiben-toerany teny Ambohimangakely, Distrika Antananarivo-Avaradrano.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco