♦ Nahazo sanctuaire ny any Belo-sur-Tsiribihina. Notokanana sy notsofindrano... ♦ Vao mainka mafàna ny toe-draharaha-pirenena. Nidina an-dalambe ihany koa ireo mpomba ny fitondràna ny faran'ny heriandro teo. Mbola nosakanana, tetsy ankilany, ireo tanora mpanao fihetsiketsehana tarihin'ny Gen Z... ♦ Ankolafi-kery maro no sabotsy teo no nihaona tamin'ny filoham-pirenena teny Iavoloha, manoloana ny toe-draharaha-pirenena. Tokony ho mpiasam-panjakàna no ho Praiministra hoy ny sendikàn'ny Administrateur civile... ♦ Antenaina fatratra ny hahitana fifanarahana momba ny ady any Gaza. Hisy ny dinika eo amin'ny Hamas sy ny delegasiôna Israeliana any Ejipta anio... 

Tsy misaraka ary mifampiankina ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ny Misterin'ny Trinite Masina no vaovao ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ny boky manontolo Testamenta Taloha tamin'ny fitorian'ny Vaovao Mahavaly dia maka ny heviny ao amin'ny Testamenta Vaovao... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

♦ Manokatra varavarana hihainoana ny rehetra manoloana ny krizy misy eto Madagasikara ny FFKM. Ny ahatongavana amin'ny fifampidinihana no tanjona... ♦ Miantso ny olom-pirenena hanome lanja ny filaminana, hampitsahatra ny fihantsiana samihafa ny EMMONAT, ivondronan'ny Zandary, ny Polisy ary ny Tafika. Miantso ny rehetra ho tony manoloana ny toe-java-misy iainan'ny firenena ankehitriny... ♦ Miantso ny mpikambana rehetra manerana ny nosy hanatevin-daharana ny hatsika ataon'ny tanora amin'izao fotoana izao ny RMDM. Takian'izy ireo ny hamotsorana an'ireo voasambotra noho ny fanehoany ny heviny...

Alahady 05 oktobra 2025 : Alahady faha-27 mandavantaona — D - Ny olona manam-pinoana tsy miandry valisoa eo no ho eo ; Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. I Jesoa no niaina voalohany ireo fijaliana, fa lalam-pitiavana ireny ; porofo ny nanehoan'ny Ray ny fitiavany tamin'ny nananganany an'i Kristy ho velona. Mandre ny vavaka sy ny fangatahana ataontsika Andriamanitra fa misy ny fandarahana,  ara-potoana, araka ny laharam-pahamehana aminy. Mila fotoana isika mba hamahana ny olana rehetra vokarin'ny ratsy, na ao anatintsika na eo amin'ny tontolo iainana mba tsy lasa mpitan-damba fotsiny isika...

Ny mahatongan'ny "Homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza" dia avy amin'ny tsimok'aretina atao hoe "papillomavirus". Ny fivoaran'io homamiadana io dia eo amin'ny 20 taona aorian'ny nidiran'ilay tsimok'aretina ao amin'ny tranon-jaza. Misy ny vaksiny ho fisorohana ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza, tsindrona in-ndray, mahantoka mandritra ny fahaveloman'ny vehivavy iray... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Manokatra varavarana hiainoana ny rehetra manoloana ny krizy misy eto amin'ny firenena ny FFKM. Ny ahatongavana amin'ny fifampidinihana hoy ireo ray aman-dreny filoha-piangonana no tanjona nandritra ny fanambarana nataon'izy ireo... ♦ Diso fahavalo ny vahoaka mpanao fihetsiketsehana eny an-dalambe amin'izao fotoana izao hoy ny filoham-pirenena. Hampihato ny tetik'asa ataony eto Madagasiara ny Banky iraisam-pirenena raha mbola mitohy ny krizy politika... ♦ Nahery vaika indray ny fanaparitahan'ny zandary, polisy ary ny tafika ny hetsika nataon'ny vahoaka teto Antananarivo, omaly. Hamory vahoaka eny Antsonjobe koa ny mpomba ny fitondrana...

Manohy miahy ny vahoakany Andriamanitra amin'ny alalan'ireo iraka manambara ny Teniny sy mampahatsiahy ny Fanekena nataony tamin'ny vahoakany. "Teny marin'Andriamanitra" nampitain'ny olona "notsilovin'Andriamanitra" ny Testamenta Taloha. Ny mpaminany no mampatsiahy ireo mpanjaka ny lalàn'Andriamanitra, voaenjika koa anefa ireo mpaminany... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Ao amin'i Jesoa Kristy no tanteraka ny voalaza rehetra tao amin'ny Testamenta Taloha. Na dia nosilovin'Andriamanitra aza ireo mpanoratra ny Testamenta Taloha dia azo lazaina fa tsy afa-miala amin'ny tontolo nisy azy ary tsy maintsy nanao izany araka ny maha-izy azy ny tenany. Zava-dehibe ho an'ny kristiana ny Testamenta Taloha, fanomanana ny fiavian'i Kristy... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

♦ Nitohy androany tolak'andro, rehefa nihato omaly ny hetsika ataon'ny tanora Gen Z, saika hiditra ny kianjan'Ambohijatovo sy Analakely. Mahery vaika ny fanakanana nataon'ny mpitandro ny filaminana azy ireo, tamin'ny fampiasana baomba mandatsa-dranomaro... ♦ Fanindroany tato anatin'ity herinandro ity no nitafa tamin'ny vahoaka Malagasy tao anatin'ny fahitalavi-panjakàna ny filoha Rajoelina Andry. Isan'ny navoitrany tamin'izany ny filazàna fa tratry ny "cyber-attaque" i Madagasikara ankehitriny ka "robot" no entina mibaiko ireo tanoran'ny Gen Z... ♦ Manohana amin'ny alalan'ny ody-ambavafo sy rano ireo  mpanao gazety eny an-kianja ireo fikdambanana samihafa...

Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny tantsaha mivondrona ao amin’ny fikambanana MIARA-MIZOTRA ao amin’nydistrikan’Ambatoboeny ankehitriny. Miatraika amin’ny famokaran’ny tantsaha any amin’iny faritra Boeny iny mantsy ny
fiovan’ny toetr’andro misy ankehitriny. Azo atao tsara nefa ny miatrika izany amin'ny fampiasàna ireo tekinika fambolena miaro ny tontolo iainana na ny Agroécologies. Zavatra maro no tombony azo avy amin'ny fampiharana azy io dia ny nofon-tany maharitra sy mihatsara hatrany, vokatra mahasalàma, maharitra vao simba rehefa tahirizina. Antony nahatonga ny fikambanana “MIARA-MIZOTRA” ifototra bebe kokoa amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo....

• Efa mizotra moramora hamonjy ao afovoan-tananan'Antananarivo ireo mpanao fihetsiketsehana. Hentira ny sakana ataon'ny mpitandro ny filaminana... • Tsy handray ireo olona tokony hampidirina am-ponja, ao anatin'ny telo andro, ny Sendikan'ny Mpandraharahan'ny Fonja... • Rariny ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Filohan'ny Repoblika, satria tsy nahavaly ny filan'ny vahoaka ny vokatra avy amin'ny Governemanta, hoy ny Minisitra teo aloha misahana ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, Max Andonirina Fontaine...

Ao anatin’ny toe-draharaha voamariky ny krizy politika sy ara-tsosialy lalina, ny fandaharana EVA amin’ny 02 Oktobra 2025 dia mikendry ny handalina ireo olana lehibe mifandraika amin’ny asa mendrika eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ny adihevitra sy fifanakalozana eo amin’ny sendikà sy ny mpisehatra amin’ny fiaraha-monim-pirenena, entina hanehoana amin’ny fomba mazava ny zava-misy eny ifotony, ireo sakana ara-drafitra sy ara-pitondrantena izay manakana ny fametrahana asa manaja ny maha-olombelona, indrindra ho an’ny tanora eto Madagasikara... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...