Ny tôkalo dia fifanosohan'ny tôkatôka sy ny tononkalo no niteraka io, izy ity dia miseho amin'ny endrika literatiora an-tsoratra sy am-bava miaraka ; ny tôkatôka dia lahabolana am-bava, ny tononkalo kosa dia literatiora an-tsoratra. Ny Pôeta Radialph avy any amin'ny Faritra Atsinanana (Vatomandry) no nipoiran'ity hai-famoronana ity. Tsy mifidy fotoana ny fanaovana azy ity, anefa tsy maintsy mifanaraka amin'ny sehatra hisehoany.

♦ Noravan'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina alina ny governemanta tarihan'ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Manameloka ny fisamborana sy ny fampiasàna herisetra : toy ny nahazo ny naman'izy ireo sy ny olo-tsotra nanao ny fitakiana ny vondrona parlemantera IRMAR, manoloana ny zava-misy ao an-drenivohitra sy any amin'ny Faritra samihafa... ♦ Ampy ny tahirin-tsolika manerana ny nosy, raha ny fanambarana navoakan'ny Office Malgache des Hydrocarbures (OMH) omaly... ♦ Nankasitraka ny drafitra natolotry ny filoha amerikana Donald Trump handaminana ny any Gaza ny filoha frantsay Emmanuel Macron...

Ny Baiboly dia fitambaram-boky marobe, raha ny hita dia misy boky 73 no natambatra ka 46 isa no mandrafitra ny Testamenta Taloha, miampy 27 isa Testamenta Vaovao. Misy boky miisa fito, mirakitra ny votoatin'ny fanagejana nihatra tamin'ny Jody nataon'ireo Grika : Tobia, Fahendrena, Makabeo, Baroaka... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

• Nanohy ny hetsi-pitakiana indray androany ireo mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo. Nahery vaika ny fanapritahan'ny mpitandro ny filaminana azy ireo. Voasambotra nandritra izany ny Solombavam-bahoakan'Arivonimamo Rajerison Antoine... • Miitatra any amin'ny Distrika koa ankehitriny ny hetsiky ny tanora leo delestazy. Nisy ireo voasambotra tao Mandritsara. NAnohy ny hetsika koa ny mpianatry ny Oniversite tao Antsirabe... • Hiteny amin'ny vahoaka Malagasy anio amin'ny 8 ora alina ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina...

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

♦ Mpanao politika sady olom-boafidy fahatelo voasambotra tao anatin'izao hetsika fitakiana ny jiro izao ny solombavambahoaka an'Arivonimamo Rajerison Antoine... ♦ Zo fototra arovan'ny Lalàm-panorenana ny fisitrahana rano fisotro madio sy angovo ahafahana mihary, ny fahafahana maneho hevitra, ary ny fisitrahana ny fiarovana ny aina sy ny fananana avy amin'ny mpitandro filaminana hoy ny fanambaran'ny sendika SECES... ♦ Manambana ny hanao fitokonana ny sendika TRIADE ka manome 48 ora hamalina ireo fitakiny amin'ny hialan'ny Ministry ny Fahasalambahoaka... ♦ Manao hetsi-pitakiana ny tanora any Maroc entina hanatsarana rafi-pampianarana sy fahasalamana...

Tena pitik’afo kely nandrehitra ny hatezeran’ireo niteny tsy nisy nihaino sy tofoka ninia nangina ny... fikitihana ireo izay saika hijoro amin’ny filàna fototra tsy nisitrahana maharitra. Tratry ny angaredona tokoa ireo telo mianadahy nanana fahasahiana nitarika daba mavo sy nivimbina labozia teny am-baravaran’ny lapa teny Anosikely ka toa nimpirimpirina ankolaka. Tsy sakana ho an’ireo efa niaritra haizina sy hetaheta... indrindra ireo efa leo nampanantenaina vahaolana isaky ny mandeha anefa izany.

♦ Niaiky amin'ny fisian'ny fahatarana amin'ny fandraisana andraikitra ny filoha Andry Rajoelina, izay efa eto an-tanindrazana nanomboka ny sabotsy 17 septambra teo... ♦ Tsy mitovy hevitra amin'ny famerenana ny fampianarana ireo sekoly amin'ity alatsinainy 29 septambra 2025 ity... ♦ Mbola hanamafy  ny hetsika maity anio alatsinainy 29 septambra 2025, ireo tanora indray mihira "Z" (Gen Z)... ♦ Mampitovy tadindokanga ireo kandida filoham-pirenena avy amin'ny hery fanoherana any Cameroune...

Ny Testamenta Tranainy dia Testamenta Taloha ihany ; ny mpanoratra dia notsilovin'ny Fanahy Masina, manana ny maha izy azy : niteny tamin'ny sokajin'olona tamin'izany vanim-potoana izany. Mba tsy hivily dia ao am-piangonana no andraisana ny  hevitry ny Tenin'Andriamanitra, vakiana miaraka amin'ireo efa nanao ny fandalinana mba tsy hivoana... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

♦ Handray fepetra entitra ho famerenana ny filaminam-bahoaka ny mpitandro ny filaminana mivondrona ao amin'ny EMMONAT. Ambenana manokana ireo toerana saropady isorohana ny fandrobana... ♦ Miantso ny hisian'ny fifampihainoana sy ny fifampiresahana manoloana ny zava-misy eto amin'ny firenena ny Filohan'ny FJKM teo aloha ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi... ♦ Sesilany ireo fanambarana manameloka ny fandrobana sy ny fanakorontanana niseho tamin'ny tanan-dehibe maro manerana ny nosy tao anatin'ny roa andro izay...

Alahady 28 septambra 2025 - Alahady faha-26 mandavantaona — D : Ny soa atao levenam-bola. Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ho anay, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Mbola ho hita hatrany ankoatra ny elanelana mpampisatrakany mpanana sy ny mahantra eto an-tany ; anefa ny harena dia tsy ny vola ihany fa eo ihany koa ny fahaizana amam-pahalalana, ny talenta sy ny hatsaram-panahy. Ny fahantrana dia miseho amin'ny endriny maro toa ireo tsy nahazo fanabeazana, very zo, ireo tsy misokatra ara-panahy. Io elanelana io dia hitsimbadika any ankoatra any ka ireo ory teto an-tany dia ho tojo hasambarana...

♦ Nambaran'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina fa tetika pôlitika efa voahomana iny hetska "Leo delesatazy" izay nivadika fanakorontanana sy fandrobàna iny ; noesorina tamin'ny toerany ny Ministry ny Angovo, Jean Baptiste Olivier... ♦ Nodimandry omaly zoma ny solombavambahoaka voafidy tany Betioky-Atsimo, Jean Jacques Rabenirina. Voahosin'ny camion teny Andoharanofotsy ny tenany, raha nandeha nijery ny zava-nisy tamin'ny hetsika "Leo delestazy" ny alakamisy hariva teo... ♦ Namoaka fanambaràna ny fivondronamben'ny Eveka sy ny FFKM, manoloana ny hetsika nitarika korontana nahafatessana olona sy nahasimbàna zavatra maro...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...