♦ Mampitandrina ny mponina amin'ny faritra rehetra izay mety handalovan'ny rivodoza Batsirai, ny BNGRC, fa hahery vaika ity rivodoza ity ka mety hitondra takaitra betsaka, ho antsika eto Madagasikara... ♦ Olona 500 no nisantarana ny fizarana Vatsy Tsinjo, tany Toamasina androany. Maniry mafy ny mba hanomezana fanampiana azy ireo ihany koa ireo olona marefo sy manana fahasembanana, any an-toerana... ♦ Miroso hatrany ny fanomanana ny JMJ Mada faha-10, izay hotanterahana any Antsirabe...

♦ Hamaritra ny toetry ny andro eto Madagasikara manomboka amin'ny zoma izao ilay rivodoza Batsirai... ♦ Hanomboka amin'ny zoma izao ny fizarana karatra andiany voalohany ho an'ny mpanao gazety, hoy ny OJM. Mbola hisy ny famoahana karatra andiany faharoa ho an'ireo maniry ny hisitraka izany... ♦ Tany mirefy 1.700 ha izay nohajarian'ny olona an'aliny no lasan'olon-tokona any Ankonabe, kaominina Analavory-Miarinarivo...

Samy manana fomba hafa hamaritana ny atao hoe "fahombiazana" ny rehetra. Ny fahombiazana dia midika hoe "fandresena" ho an'ny maro, ary misy mari-drefy : marim-pahaizana, haingo amam-bika, eo koa ny fananana. Misy famaritana ankapobeny manao hoe : ny olombelona dia vatana, saina, fo ary fanahy ka raha ireo no tomombana dia azo adika ho fahombiazana...

♦ Nodidin'ny fitsarana sazy mihantona enim-bolana niampy fandoavana lamandy i Mahery Lanto Manandafy. Tsy afa-bela fa mbola voaantso eny amin'ny zandary eny Fiadanana anio...  ♦ Tany amin'ny 1.473km atsinanana somary avaratra, atsinanan'i Sainte Marie omaly tamin'ny 3 ora ny foiben'ny rivodoza Batsirai, efa nisy ireo distrika nahazo filazàna fanairana... ♦ Nosantarin'ny filohan'ny repoblika omaly ny fizarana vatsy tsinjo ho an'ireo mponina nahazo ny karatra moderina...

♦ Nampanantsoina eny amin'ny polisy misahana ny sampandraharaha cybercriminalité androany i Mahery Lanto Manandafy... ♦ Malaina ny hiala eny amin'ireo toerana fandraisana traboina vonjimaika ireo traboina taorian'ny filazana fa hisy ny fanampiana tosika ara-bola ho an'ny tokantrano marefo... ♦ Mbola voafidy ho filohan'ny sampandraharaha mikarakara ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an'ny mpiasam-panjakàna na ASIEF indray i John Love...

Ny maha izy antsika tsirairay, ny isam-pianakaviana, ny seham-pikatrohana dia toerana handinihina sy hiainana ny antson'Andriamanitra. Ny asa sy ny andraikitra misy antsika dia efa sehatra halalana ny antso. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Ao amin'ny fikambanana masina no hahafahana miaina ny antson'Andriamanitra. Sehatra hamolavolana ny ankizy sy ny tanora ny fikambanana masina. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Ny vaomieran'asa dia hahafahana miaina ny antson'Andriamanitra. Manana anjara amin'ny fanampiana ny olona hizotra amin'ny antson'Andriamanitra ihany koa ny vaomieran'asa. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Isaky ny 04 Febroary no fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny homamiadana, izay aretina mety hafaty raha tsy voatsabo. Ny homamiadana dia aretina azo avy amin'ny fiovan'ny sela ao anatin'ny olombelona, izay mitombo mihoapapana sy tsy voafehin'ny vatana intsony. Ny homamiadana dia miteraka fivontosana ka manimba ny taova misy azy ary mety hiparitaka amin'ny taova hafa. Ny homamiadana dia azo tilina, azo soroina ary azo tsaboina.

♦ Ho hafainganina ny raharaham-pitsarana amin'ity taona ity ary ho averina ihany koa ny fitokisan'ny vahoaka ny fitsarana, hoy ny tonia ambony eo anivon'ny fitsarana tampony... ♦ Hisokatra ho an'ireo mpampiasa vola sy mpandraharaha ny seranan-tsambon'i Ehoala any Taolagnaro...♦ Mbola tsy voaloa 3 taona aty aorian'ny asa ny volan'ireo orinasa mikojakoja ny lalana. Manao antso avo amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena ireo orinasa 230 manan-trosa amin'ny Fanjakana...

♦ An'arivony isan-taona ny raharaha tonga eny anivon'ny Fitsarana Antampony. Raharaha 50 eo ho eo no sahanin'ny mpitsara iray. Nisokatra androany ny taom-pitsarana 2022... ♦ Hisokatra ho an'ireo mpampiasa vola sy mpandrahraha ny ao amin'ny seranan-tsambon'i Eoala any Taolagnaro amin'ity taona ity... ♦ Trano sivy no may kila forehitra omaly, tany amin'ny Kaominina Ambalatsiroa any amin'ny Distrikan'i Betroka noho ny asan-dahalo. Soa fa tsy nisy aina nafoy, olona 33 no tsy manan-kialofana vokatr'izany...

♦ Manentana ny kristianina rehetra mba hifarimbona amin'ny voin-kava-mahatratra ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Notokanana tamin'ny 23 janoary 2022 ny fiangonana vaovao ao Ankatafana, Diôsezin'i Mananjary... ♦ Manentana ny kristianina rehetra hanahaka ny majy amin'ny fanarahan-dia an'i Jesoa ny Papa François, tamin'ny famaranana ny herinandrom-bavaky ny fiombonan'ny kristianina maneran-tany...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...