Alahady 7 novambra 2021 — Alahady faharoa amby telopolo mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 38-44

♦ Mijoro ankehitriny ny Fondation Céline et Didier Ratsiraka. Hetsika mifanandrify amin'ny tsingerin-taona nahaterahan'ity Filoham-pirenena teo aloha ity, androany 4 novambra... ♦ Mitaraina ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara amin'ny fantiantok'ireo orinasa malagasy mpamokatra savony. Miombon-kevitra amin'ny fampakarana ho 20% ny haba alaina amin'ny fanafarana bolabolan-tsavony izy ireo, araka ny voalazan'ny volavolan-dalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2021...

Ny fanajàna ny aina no mametraka ny fahamendrehan'ny olona araka ny noharian'Andriamanitra azy. Manoloana ireo endrika maro samihafa mivohy ny tsy fanajàna ny aina, dia ilaina ny fanamafisana ny fanabeazana indrindra ny tanora. Ilaina ihany koa ny fiainana sy fitiavana marina eo anivon'ny fianakaviana...

17 taona katroka androany ny fandaharana "Hirika". Fandaharana nivoizana ireo hevitra sy vaovao momba ny fampandrosoana tamin'ny lafiny maro indrindra ho an'ny teny amin'ny tontolo ambanivohitra...

♦ Olona miisa valo no efa voasambotra manoloana ny vonon'olona miisa roa izay nitranga tany amin'ny distrika Mahabo... ♦ Efa nanomboka androany ny fahafahana misitraka ny vaksiny Sinopharm... ♦ Nandiso ny vaovao miely amin'ny tamba-jotra serasera momba ny fisiana "Prime exceptionnelle" hatrany amin'ny 980 tapitrisa Ariary ho an'ny mpiasa ny tompon'andraikitry ny Jirama...

Ho antsika kristiana ny "eny" dia milaza fanekena ny sitrapon'Andriamanitra, ka ny "eny" nataon'i Masina Maria no tonga ao an-tsaina voalohany amin'izany (cf Lk.1,38). Io faneken'i Masina Maria io no faratampony satria fiatombohan'ny asam-panavotana nataon'I Jesoa Kristy teto an-tany. Katesizy momba ny "eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

Anisan'ny lesoka ka tsy maintsy hanampiana ny tanora ny tanora ny fisalasalana na ny tahotra mihintsy aza amin'ny fanorenana ny ho aviny. Naverin'ny Papa Fransoa tamin'ny tanora teto Madagasikara io famporisihana io tamin'ny fihaonany tamin'ny tanora, ka nahazahoana ity lohahevitra ity hoe : manaova " eny amin'ny fahasahiana hanorina ny ho avy". Katesizy momba ny "eny amin'ny fahasahiana hanorina ny ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

♦ Manameloka ny herisetra natao tamin'ireo mpanao gazety manao ny asany ny fikambanan'ny mpano gazety misehatra amin'ny tontolo iainana sy ny fikambanan'ny mpanao gazety mpaka sary ary ny OJM... ♦ Mitaky ny hamoahana ilay volavolan-dalana momba ny fahazoana mamantatra ny raharaham-panjakàna ny vondro'ny fiaraha-monim-pirenena... ♦ Tombanan'ny banky iraisam-pirenena hiampy 130 tapitrisa ireo olona mahantra maneran-tany vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro hatramin'ny taona 2030...

♦ Melohin'ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara sy ny fikambanan'ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana ary ny fikambanan'ny mpanao gazety mpaka sary, ny herisetra manohintohina ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, tamin'ireo mpanao gazety nanao ny asany tao amin'ny ala arovan'i Kirindy, Menabe Atimena... ♦ Takian'ny vondron'ny firaisamonim-pirenena ny handaniana ilay volavolan-dalana momba ny fahazoa-mamantatra ny raharaham-panjakana eto amintsika...

♦ Firenena voalohany manondrana akanjo any Erôpa isika. Ny 20%-ny vola avy any ivelany miditra eto amintsika dia avy amin'izany fanondranana izany... ♦ Novorian'ny governoran'ny faritra Menabe, omaly ny raiaman-dreny sy ny filoham-piangonana ary ireo lehiben'ny sampan-draharaha any amin'io faritra io ho fiomanana amin'ny mety hiverenan'ny covid-19... ♦ Mitsingerina rahampitso 4 novambra ny andro nahaterahan'ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka, hetsika maro no tanterahin'ny fianankaviana ho fatsiarovana azy...

♦ Fotoana izao, tsy tokony hiandry rahampitso intsony amin'ny fandraisana andraikitra hiadiana amin'ny fiovan'ny toetr'andro. Antso nataon'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny fandraisany fitenenana tanatin'ny COP 26... ♦ Miisa 4 ireo mpandeha an-tsokosoko nihazo an'ny Nosy Mayotte no maty vokatry ny olana nahazo ny sambokely misy motera nitondra azy ireo... ♦ Naaton'ny CSM tamin'ny asany maha mpitsara azy Andriamatoa Raoul Harizaka Rabekoto...

♦ Miisa efatra ireo mpandeha antsokosoko nihazo ny nosy Mayotte no maty vokatry ny olana nahazo ny sambokely misy maotera nitondra azy ireo... ♦ Naaton'ny Filankevitra Ambonin'ny Mpitsara na ny CSM tamin'ny asa maha mpitsara azy Andriamatoa Raoul Harizaka Rabekoto... ♦ Tsy tompon'andraikitra amin'izay hena amaidy eny an-tsena, mety ahitana olana, ny sendikan'ny dokotera sy veterinaires eto Madagasikara, izay tsy mety hampiasa ny bokin'omby na ny FIB...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...