♦ Zaza roa no namoy ny ainy, olona enina hafa naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin'ny Lalam-pirenena voalohany androany maraina... ♦ Ho entitra amin'ny fanajana ireo fepetra sakana rehetra, manoloana ny fiakaran'ny tahan'ny olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19, ny ato amin'ny Faritra Analamanga...
♦ Nahazo fahafahana vonjimaika misy fepetra ireo Malagasy miisa 03, tratra tatsy Afrika atsimo, voarohirohy tamin'ilay raharaha volamena 73,5kg... ♦ Tsy mbola hikatona ny Oniversite an'Antananarivo eny Ankatso, na misy amin'ireo mpampianatra, mpandraharaha ary mpianatra aza no voalaza fa voan'ny Covid-19. Anton'izany ny fisorohana ny taona fotsy...
Tsy andro fety ny 8 marsa fa andro manerantany hatsiarovana ny fitakian-jo. Loha-hevitra tamin'ity taona ity: Vehivavy mizaka tena sy miarin-doha anaty tontolo iainana mirindra ho amin’ny fandrosoana lovainjafy. Ny vehivavy dia afaka mampandroso ny firenena araka ny toen-tsaina ananana, ary afaka mampita izany amin'ny taranaka. Vehivavy mizaka tena mira mahefa, mifanampy amin'ny lehilahy...
Alarobia 17 marsa 2021 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 17-30
♦ Niampy dimy indray ireo matin'ny Coronavirus eto amintsika, dimy amby zato ireo tranga vaovao, araka ny tarehimarika farany, momba ny fivoaran'ny Covid-19 eto Madagasikara... ♦ Nirefodrefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso omaly, nandritra ny fitokonan'ny mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo. Mpianatra telo no voasambotra teny Vontovorona...
♦ Mpiadina roa no tratra nanao hosoka nandritra ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja... ♦ Samy nihetsika avokoa androany ny mpianatra teny amin'ny Polytechnique Vontovorona sy ny mpianatry ny Fakiolten'ny Siansa teny Ankatso... ♦ Iray amin'ireo mpanao gazety nanatitra antotataratasy hahazoana misitraka ilay karatra maha matianina kosa ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo...
Talata 16 marsa 2021 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 1-16
♦ Mila mandray andraikitra haingana ny fitondram-panjakàna amin'izao firongatry ny valan'aretina entin'ny coronavirus izao hoy ny SECES. Mpampianatra mpikaroka miisa 6, voalaza fa noho ny covid-19 nahazo azy no lavo... ♦ Nizara fanomezana tany amin'ny Fonjan'Ambatolampy sy tetsy amin'ny toby fanarenana ny ankizy mania etsy Anjanamasina ny fiombonan'ny Vehivavy ao anatin'ny FFVA, diôsezy Antananarivo... ♦ Miatrika fitsaràna any Birmanie indray androany Ramatoa Aung San Suu Kyi...
Alatsinainy 15 marsa 2021 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 4, 43-54
♦ Miverina mirongatra indray ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara. Tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eninjato mahery no voatily tamin'ny herinandro lasa teo, 16 kosa ireo marary lavon'ny aretina... ♦ Nankahery ny Malagasy tamin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana omaly, ireo Raiamandrenim-piangonana ao amin'ny FFKM, amin'izao fotoana hiomanana amin'ny Paka izao...
♦ Mbola mijoro ary mitazona ny foto-kevitra nijoroany hatramin'izay ny antoko UNDD... ♦ Tsy maintsy hivoaka mialoha ny hanombohan'ny tetikasa Tanamasoandro eny Imerintsiatosika ny valin'ny fanadihadiana ara-tontolo iainana... ♦ Niabo ny valin'ny fitiliana coronavirus natao tamin'ny Rayan Ravelson... ♦ Hampihatra fepetra isorohanany fihanaky ny coronavirus indray i Italia...
Alahady 14 marsa 2021 — Alahady fahefatra amin'ny Karemy — Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : ka nomeny ny Zanany tokana ; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 14-21
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco