Rehefa ampy fahalalana amin'ny fampisana ny fitaovam-pifandraisana dia mitombo ihany koa ny fahalalana, mirindra ny fiainana ao an-trano. Mivelatra ny fifandraisana amin'ny fiaraha-monina, mitombo ny fahalalana ny  zava-misy toy ny fahalalam-baovao. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

Adidin'ny mpivady no manabe ny zanany hahay hifandray amin'ny mpiara-belona ; ary hahay hampiasa ny fitaovam-pifandraisana eny manampy amin'ny fampitàna fahalalana. Ny fisian'ny fitaovam-pifandraisana dia misy lafiny tsara ho an'ny olombelona izay mahay mandanjalana ny fampiasana azy. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

Tsy azo giazana ao an-trano ny fifandraisana. Maro ny miankina amin'ny fitaovam-pifandraisana noho ny asa fivelomana. Fitaovana ho an'ny fivoarana amin'ny maha olona ny fifandraisana. Mivelatra be ny tontolon'ny fifandraisana raha tsy hilaza afa-tsy ny tontolon'ny asa fivelomana sy ny fifanankalozana ara-barotra. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

Tsy misy olona afaka hitoka-monina marina. Marina fa misy ny safidy hitoka-monina, endri-piainana, mitoetra irery. Mitombo ny filana fototra, tsy maharitra tena irery fa mila ny hafa : filàna fitiavana izay miseho amin'ny endrika samihafa. Tsy maintsy misera amin'ny mpiara-belona ny olona : miatomboka ao amin'ny ankohonana ary mivelatra amin'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina - SDB. 

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...