Manimba ny maha-olona ny midonanam-poana. Mahasoa ny vatana sy ny saina ny miasa fa tsy hihinana fotsiny, izany hoe mitsinjo ny hafa ihany koa. Tompon'andraikitra amin'ny tsy fananana asa ny mpitondra rehefa manapotika orinasa tsy ara-drariny sy manimba ny tontolon'ny asa. Adidin'ny Eglizy ny miteny manoloana ireny tsy rariny ireny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Fifamenoana eo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa ary handraisana tambiny ara-drariny no tena asa. Zava-dehibe ny fitsaharana mba entina hitsinjovana ny namana sy ny manodidina. Manana ny hasiny ny asa satria fomba iray hiadiana amin'ny fahantrana. Melohan'i Jesoa Kristy ny olona tsy miasa fa midonanampoana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Manana andraikitra ny tsirairay ao amin'ny ankohonana misy azy. Ny fianakaviana iray mifankatia dia samy manana ny anjara andraikiny sy manao asa tandrify azy. Ny asa mendrika dia fiheveran'ny tsirairay ny fikoloana ny soa iombonana. Tsy "asana mpanompo ny asa fa fifamenoana eo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa ary handraisana tambiny ara-drariny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ny fahatsapana fa mandalo ny endrik'izao tontolo izao dia tsy manafoana ny andraikitra tokony horaisina eo anivon'ny tantara, na indrindra ny adidy tokony hiasana fa ao anatin'ny lalam-piainan'ny olombelona tanteraka izany, na dia tsy izany aza no hany antony ahavelomana. Didian'Andriamanitra hiasa ny olombelona : izay tsy miasa aoka izy tsy hihinana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...