Tsy maintsy iahiana ny vatana sy ny fanahy ny asa. Raha ny vatana fotsiny no iahian'ny asa dia lasa fanandevozana. Tsy natao hikendrena ny haren'ny tany fa hikatsahana ny famonjena ny fanahy, io no tokony laharam-pamehana. Tsy tokony hiteraka tebiteby ny asa : rahefa maro ny zavatra manahiran-tsaina sy mampitotototo ny olona, dia ahiana hataony tsirambina ny Fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny sabata hisokafana amin'ny mahantra ; ao amin'ny Testamenta Taloha dia niasa 6 taona ny olona fa ny taona 1 hitsaharana, hitsinjovana ny mahantra izany hoe taona fahafito. Voafatotry ny tsy maintsy ilàna ny asa ny olombelona, ka ny fialan-tsasatra no manampy azy hanantena fahafahana feno ampoka kokoa dia ny fanantenana an'ilay Sabata any amin'ny mandrakizay. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Aleo kely ombam-pahatahorana ny Tompo, toy izay ny harem-be omban'ny tsy fahamarinana. Matoa mahantra ny firenena dia mbola betsaka ny kolikoly. Ilaina ny fialan-tsasatra satria izany no hatsiarovana ny asan'Andriamanitra, tamin'ny fahariana izao tontolo izao. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Homen-kasina ny asa satria loharanon-karena hanosehana ny fahantrana. Atao amim-pahatahorana an'Andriamanitra ny asa mba ahitana vokany, ary hanasoavana ny tena sy ny fianakaviana ary ny fiaraha-monina. Miasa isika mba hamelona ny aina nomen'Andriamanitra. Amin'ny sehatry ny asa dia melohan'ny Eglizy ny kolikoly sy ny fahalovana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco