Alahady 26 aprily 2020 — Alahady fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 13-35 — Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo ; ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao.

Sabotsy 25 aprily 2020 — Masindahy Marka Evajelista — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 15-20 — Izahay kosa mitory an'i Jesoa Kristy voafantsika ; i Kristy herin'Andriamanitranitra sy fahendren'Andriamanitra.

Zoma 24 aprily 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 1-15 — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka ahy.

Alakamisy 23 aprily 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 31-36 — Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak'olombelona.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...