Vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola dia maro ny tanora voasarika amin'ny filan'ny nofo, mety ho tonga ho amin'ny vohoka aloha loatra ireny. Tena zava-doza ho an'ny reny sy zaza ny fitondrana vohoka aloha loatra satria lasa misy olana eo amin'ny fianakaviana, fiaraha-monina ary ny firenena. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

10 mey 2024 — Zoma, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo; handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 20-23a)

Tokony hampidirina ao an-tsain'ny tanora fa Masina sy Voatokana ny firaisana ara-nofo ka tsy azo hatao alohan'ny fanambadiana. Masina satria voajanahary izay fifamenoin'ny lahy sy ny vavy ho fanohizana ny asa-pahariana nataon'Andriamanitra. Ireo tanora lahy sy vavy miroso amin'ny firaisana ara-nofo dia tokony hizaka ny vokatry ny safidiny. Herisetra ny fanararaotana ara-nofo. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

9 mey 2024 — I Jesoa Kristy niakatra any an-danitra — Fankalazana manetriketrika — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-20)

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...