15 desambra 2023 — Zoma, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 16-19)
Ny atao hoe fahendrena amin'ny Soratra Masina dia mahasahana zavatra maro : Fahaiza-manao "savoir faire", tsy mbola miresaka fitondran-tena fa resaka fahalalana sy hakingana ary fahaiza-manao ; fahakingana eo am-panaovana asa iray (1R 7, 14) feno fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahakingana izy, mba hanao ny asa isan-karazany ; olon-kendry ; mahay mitondra tena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
14 desambra 2023 — Alakamisy, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 11-15)
Ny fanabeazana dia mahasahana ny fivelaran'ny maha-olona manontolo ny tsirairay ka mikendry ny mba hananany fahafahana sy fahaizana ary fahombiazana eo amin'ny ara-batana,ara-haitao sy teknika, ara-tsaina sy ara-panahy. Ny fanabeazana dia natao hampitàna : fahalalana sy fahaizana mba handrafetana ny ho avy, fa indrindra, fampitàna fomba fiaina sy fomba fisaina. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco