Fandraharahana ao amin'ny Eglizy ny maha pretra ; fandraharahana najoron'Andriamanitra ka mahatontosa ny ambaratonga samihafa. Ambaratonga tsy mitovy amin'ny eveka ny pretra fa eo ambaniny nanankinana fahatokisana amin'ny lafiny maro : fampianarana, fanamasinana, fitantanana, fitsinjarana ny fanompoana. Ny Pretra dia Mpisorona... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

19 jona — I Masindahy Romuald dia teraka ny taona manonidinana ny 951, avy amin’ny fianakaviana Onesti, ducs de Ravenne. Sergio no anaran-drainy, nanabe azy tao anatin’ny fitadiavana fafinaretana izy io. Indray andro raha niady taminy ny rainy sy ny olona iray tao amin’ny fianakaviana dia i Romuald no nasain’ny rainy ho vavolombelona hanatrika ny adin’izy ireo izay niafara tamin’ny fifamonoana.

Mpanampy mahatoky sady mahefa ny Eveka ny Pretra : toy ny zanaka izy ireo ary sakaiza eo anatrehan'ny eveka. Ny Pretra ao amin'ny Eglizy katôlika dia ireo nandray ny sakramentan'ny filaharana tamin'ny alalan'ny fametrahan-tanan'ny eveka izay manamasina azy. Ho an'ny Eglizy Latina dia tsy manambady ny pretra fa ho an'ny tatsinanana dia manamasina pretra manambady izy ireo... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

18 jona — Miaramila tao amin’ny tafika romanina i Léonce, ary mpitoka-monina iray no nampibebaka azy. Nozarainy tamin’ireo mahantra ny sakafon’ny tafika misy azy. Ary tsy niafina izy tamin’ny fitiavam-bavaka an’i Kristy, sy nanameloka ny fivavahana amin’ny sampy.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...