12 jolay 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 1-7)
Mt 5, 13-14 : "Ianareo no fanasin'ny tany, Ianareo no fahazavan'izao tontolo izao". Miantso ny mpianany i Jesoa mba ho modely, mba hampianatra sy haneho izay sitrak'Andriamanitra momba izao tontolo izao. Ny kristiana tany am-pindohana dia miezaka miala ao anatin'ny haratsiana, natao Batemy, mandray fampianarana avy amin'ny Apôstôly, mamonjy fotoam-bavaka sy ny famakiana ny mofo... Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
11 jolay 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho; mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 32-38)
Maro an'isa ny Kristiana, mpivavaka na koa hoe mino, kanefa miharatsy ny fiainana, mihasimba ny tontolo iainana. Mahafoana tsikelikely ireo zava-boahary, mikorontana tsy mandeha araka ny vanim-potoana intsony ny teotr'andro. Ny tena loza dia samy manampatra ny fahefany amin'ny zava-boahary isika olombelona hany ka ts voahaja intsony ny lalàna ara-boajanahary. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco