Fadio ny toe-tsaina te hampirisika ny hafa fotsiny sy ry toe-tsaina tsy te hiraharaha ; Indraidray tokoa isika manana fo te hanampy ny hafa nefa tsy te hosasatra eo amin’ny fiainana ka tratrany atao hoe fiatsarambelatsihy : faly midera sy mamporisika ny hafa nefa tsy te handray anjara fanampiana amin’ny hafa. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo.
2 jona 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Hamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianareo, raha mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 11-26)
Ireo toe-tsaina enti-manao soa, tokony fanditsika satria manimba fiara-miaina sy ny fiombonantsika : fadio toe-tsaina te hifehy ny hafa, fadio fanaovana didiko fehy lehibe. Mitaky fanolorantena ny asa fanaovantsoa fa tsy voafetra ny ara-bola ihany izany. Ny fananganana ny fiainam-piralahiana dia azo ambara fa fanekena atao eo anatrehan’Andriamanitra. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo.
1 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco