Ny Eglizy katôlika dia miara-dia amin'ny fiaraha-monina, indrindra amin'ny fitondram-panjaka, manentana ny olona hiaro ny zon'olombelona. Ny fanajàna ny zon'olombelona dia ahazoan'ny rehetra tombontsoa satria manamafy ny fitiavana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Talata 21 marsa 2023 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 1-3a. 5-16)

Raha mbola misy ny fanararaotana, ny kely tsy mba mamindro dia tsy maintsy mijoro ny Eglizy. Mamerina amin’ny laonina ny korontana nataon’ny olombelona. Endri-panahafana : Manafaka ireo zohi-pahoriana sy tsy misy mpiahy, ireo karazam-pamoretana sy fampijaliana, izany hoe : fiarovana ny aina sy ny zava-boary. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Alatsinainy 20 marsa 2023 — Masindahy Josefa vadin'i Masina Maria Virjiny — Fankalazana manetriketrika — Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 16. 18-21. 24a)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...