Ny Sakramenta dia fitaovana ampiasain'ny Eglizy hanampy antsika hanamasin-tena ary hahafahantsika mahalala bebe kokoa ny misterin'Andriamanitra Fanahy Masina. Ny Eglizy mihitsy no Sakramenta satria ny Eglizy dia famantaram-pamonjena mitarika antsika mankany amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo mpitarika ao aminy.Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Talata 3 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 29-34
Ny Batemy : fankatoavana ny Ray sy ny maha olona. Ny Batemy noraisina dia mahatonga ny lahika hanana anjara toerana eo amin'ny Eglizy sy ny fiaraha-monina. Ny Batemy no tandidon'ny fiombonana ao amin'ny samy lahika na dia ao anaty sampana maro mandrafitra ny Eglizy aza, ary mandrisika ny lahika handray anjara amin'ny asam-pamonjena. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Alatsinainy 2 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Fahiny imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa, dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 19-28
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco