11 nôvambra — Teraka ny taona 316 tao Pannonie, tananan'i Sabaria, izany hoe Szombathely ao Hongrie amin'izao fotoana izao, i Martin. Avy ao Pavie, Italie avaratra ny rainy. Miaramila manamboninahitra tao am'ny tafiky ny empire romanina io rainy io. Ary tsy mahagaga ny anarany raha nataon'ny rainy hoe Martin, izay midika hoe manaja an'i Mars, andriamanitry ny ady ho an'ny romanina.
Marina ny voalazan'i Jesoa fa maro ireo mivavaka ao anatin'ny fihatsarambelatsihy fotsiny. Izany hoe mivavaka amin'ny lalàna sy ny fisehosehoana ety ivelany. Ireo tenin'i Jesoa sy traikefa nananany dia efa ampy mahafaoka ny "fanompoana andrimanitra tsy izy". Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Zoma 11 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fa amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 26-37
10 nôvambra — Tamin'ny faraparan'ny taonjato fahefatra no teraka i Léon, misy ny milaza fa teraka tao Toscane izy, fa misy koa ny milaza fa teraka tao Rome izy. Ny tahirin-kevitra hafa milaza fa tao Étrurie. Quintianus no anaran'ny rainy ary tsy fantatra loatra ny tantaran'ny fahazazany fa ny nahalalana ny tantarany voalohany dia tamin'ny taona 418. Acolyte, irakiraky ny papa Zosime izy tamin'izany.
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco