Zoma 28 ôktôbra 2022 — Masindahy Simon sy Jude, Apôstôly — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo ; ny antokon'ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, ry Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 12-19
27 ôktôbra — Vehivavy masina niditra ho relijiozy tao amin'ny fikambanana Cistercien tao Boulancourt tao amin'ny diôsezin'i Troyes tany Champagne i Émeline. Tany amin'ny taonjato faharoa ambin'ny folo tany izy no niaina. Io trano fitokana-monina io dia fanta-daza tokoa tamin'izany fotoana izany.
Andriamanitra Ray no nifidy ny vahoakany sy ireo olona tiany manokana ary ireo nataony hitondra ny vahoakany. Raha ny Testamenta Vaovao no jerena dia i Jesoa Kristy no antony voalohany anaovana ilay fandanjalanjana satria ao aminy no ahatanterahan'ny zava-drehetra, ao no ahitana ny fahasoavan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Alakamisy 27 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra, mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 31-35
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco