Mifanampy ny ray sy ny reny, fa tsy ankinina fotsiny amin'ny reny io karazam-panabeazana saropady io. Ny fiovan'ny toe-batany sy ny baraingo mipetraka aminy momba izany fiovana izany, ny tsy hitovizany amin'ny anadahiny ao an-trano na ny zazalahy hitany eny ivelany dia mila valiny marina sahaza ny taonany. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Alakamisy 22 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 7-9
21 septambra — Ny Matthieu resahana eto dia i Masindahy Matthieu ilay evanjelista. Jody i Matthieu na Matio, teraka tao Capharnaüm izy, tanana avaratra andrefan’ny farihy Génézareth ao Galilée. Zanak’i Alphée izy, ary Lévi no tena anarany. Mpamory hetra no asan’i Matthieu.
Vao teraka ny vehivavy dia efa narafitr'Andriamanitra ho reny. Ka na ny toe-batany na ny toe-tsainy dia efa voavoatra sahady ho amin'izany iraka sarobidy sy masina izany. Arakaraky ny handrosoan'ny taonany ho amin'ny fahamatorana no hiomanany amin'ny fikarakarana tokantrano aoriana kely. Ny ray aman-dreny dia manana adidy amin'ny fanabeazana ny zanaka vavy mba ho reny. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco