Tempolin'ny Fanahy Masina ny vatantsika olombelona ka tsy tokony ho viraviraina amin'ny filàn-dratsin'ny nofo. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina : "izay nakamban'Andriamanitra aoka tsy ho sarahin'olombelona". Tsy nitsahatra nampivoitra sy nanome lanja ny hasina maha-olona mizotra mankany amin'ny fahamasinana maha-kristiana i Md Paoly. Ny fiombonan'ny Ray sy ny zanaka ao amin'ny Fanahy Masina no endriky ny fianakaviana. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Sabotsy 10 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 43-49

09 septambra — Teraka ny 26 jiona 1580 tao Verdú akaikin’i Alarida Espagne i Pierre Claver ary nodimandry ny 08 septambra 1654 tao Carthagène des Indes, Colombie. Marani-tsaina i Pierre Claver, nanao ny fianarany tao amin’ny zezoita izy talohan’ny faharoapolo taonany izay fotoana nidirany ny noviciat an’io fiakambanana io ihany tao Tarragone ny taona 1602.

Mampalahelo ny toe-javatra misy, satria ny vatan'ny olombelona sy ny fanahiny mihitsy no very hasina ary tsy misy lanjany intsony, lasa mijanona fotsiny ho fitaovam-pananahana tsy misy tanjona fa zary fitaovana entina mikaroka fahafinaretana sy harena fotsiny sisa ny vatan'ny olombelona miara-mitoetra ao amin'ny  tokantrano iray. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...