Alarobia 7 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 20-26

06 septambra — Teraka tao Garrigues akaik’i Uzès i Bertrand, iray amin’ireo mpiara-dia tamin’i Masindahy Dominique izy. Nanintona azy ny fahamasinana sy ny fanirian’i Masindahy Dominique ny hampibebaka an’i Cathares amin’ny alalan’ny vavaka sy ny oha-piainana amin’ny fahantrana.

Maro ny hevitra mifamahofaho amin'izao fotoana izao manoloana ny teny hoe "fianakaviana", indrindra hatramin'izay nidiran'izao tontolo izao anatin'ny sehatry ny fanatontoloana. Noho ny filàna ara-nofo sy ny tombontsoa ho an'ny tena dia misy ireo miara-miaina toy ny mpivady, ka mamorona "fianakaviana" na inona na inona karazana misy azy. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Talata 6 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 12-19

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...