Alahady 31 jolay 2022 — Alahady fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Miambena ary mivonona ianareo: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoraran'i Masindahy Lioka 12, 13-21

30 jolay — Teraka tao Corneli tamin’ny taona 405 i Pierre. Fanta-daza ny fianakaviany. Mbola kely izy dia efa liana tamin’ny fivavahana ary nanampy an’i Cornelius, evaka tao amin’io tanana io, ary io moa no nanamasina azy ho diakra tao Imola.

Mila mitandrina ny tsirairay manoloana ireo vondrona maneho ny fanjakàna mpanao "bodon-gerina". Ny fitondrana dia tokony hanao ho lohalaharana ny tombontsoa iombonana. Ilaina hatrany ny fakan-kevitra sy ny fifanankalozana, ny fitsinjaram-pahefana. Atao misongadina hatrany ny soatoavina mahakristiana. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Sabotsy 30 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 1-12

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...