Ny fiangonana dia misarika ny sain'ny tsirairay ary mandrara ny fanararaotana. Ny fiantoham-barotra ahitana fakana tombontsoa sy tombom-barotra mihoatra ny tokony ho izy. Ny kolikoly hanodinana ny fanapahan-kevitr'ireo tompon'andraikitra, hivoana amin'ny lalana, eo aminy lafin'ny ara-barotra sy ny fihariana, eo koa ny fibodoana ny fananana iombonana. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alakamisy 7 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 7-15

06 jolay — Marietta no fiantsoana an’i Marie Goretti. Teraka tamin’ny 16 oktobra 1890 izy tao Corinaldo Italie, faritra be tendrombohitra any Ancône. Fambolena no asa fiveloman’ireo fianakaviany, izay tia vavaka tokoa. Rehefa tsy ampy niveloman’izy mianakavy ny tany kely novoleny tao dia nifindra nankany Le Ferriere di Conca ao amin’ny Diosezy Albano izy ireo.

Mangalatra izay maka na mitàna tsy ara-drariny ny fananan'ny hafa. Ireo izay manao ity voalaza itsy aloha dia manohitra ny voalazan'ny didy fahafito, ao amin'ny didy folo. Ny feon'ny fiheritreretana no manampy antsika hanao ny rariny sy araka ny finoana. Ny fitaka sy ny fanararaotra na fisandohana dia naman'ny mangalatra. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...