Amin'izao vanim-potoana manahirana misy valan'aretina lava izao dia sarobidy kokoa noho ny hatramin'izay ny fahaizana mihaino ny fiaraha-monina. Lasa nitarika "areti-mandozan'ny fampahalalam-baovao" ireo tsy fahatokisana niangona teo aloha mikasika ny "fampahalalam-baovao ôfisialy", ka lasa sarotra ho an'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao ny ho azo itokisana sy hangarahara kokoa. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Zoma 17 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 19-23

Alakamisy 16 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 7-15

Ny fivoahana amin'ny miresaka amin'ny tena ihany (monologue) no hahafahana mampirindra ny feo rehetra izay manome antoka ny tena serasera marina. Manampy antsika hanana fahaiza-manavaka, izay tsy inona fa fahaiza-mitodika amin'ny feo maro samihafa, ny tsy fihainoana feon-dakolosy tokana, ny mifampihaino, eny fa na dia ao amin'ny Eglizy aza, eo amin'ny mpiray tampo. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...