Ny fivoahana amin'ny miresaka amin'ny tena ihany (monologue) no hahafahana mampirindra ny feo rehetra izay manome antoka ny tena serasera marina. Manampy antsika hanana fahaiza-manavaka, izay tsy inona fa fahaiza-mitodika amin'ny feo maro samihafa, ny tsy fihainoana feon-dakolosy tokana, ny mifampihaino, eny fa na dia ao amin'ny Eglizy aza, eo amin'ny mpiray tampo. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
 
											 
 
			Fa nahoana ary no miatrika fahasarotana ny fihainoana? Ny diplômatin'ny fiketrahana masina anankiray, Kardinaly Casaroli, dia niresaka momba ny " martirin'ny faharetana" ilaina amin'ny fihainoana sy ny hohenoina amin'ny fifanarahana amin'ny olona tena sarotra iresahana mba hahazoana ny tsara araka izay tratra ao anatin'ny famerana ny fahafahana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
 
											 
 
			Alarobia 15 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18
 
											 
 
			Ny tena marina dia matetika isika no tsy mifampiresaka ao anatin'ny fifanakalozan-kevitra. Andrasantsika fotsiny ny hahataperan'ny fandraisam-pitenenan'ny hafa hampidirantsika ny hevitsika. Amin'ny tranga toy izany, araka ny voalazan'ny filôzôfa Abraham Kaplan hoe : ny ady hevitra dia lasa resaka roa, olona roa miresaka zavatra roa amin'ny feo roa. Ny fihainoana no singa ilaina voalohany amin'ny fifampiresahana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco