Ny fahantrana dia misy antony avy amin'ny hafa. Ny fanaparam-pahefana sy ny fanodikodinana ny fahamarinana dia loharanon'ny fahantrana. Nametrahana adidy ny olona hendry araka izay voasoratra hoe : hamaivano ny fijalian'ny mahantra. I Jesoa Kristy dia nanasongadina hatrany ireo mahantra araka izay voalazany, satria tokoa, na mpanankarena azy Izy dia tonga mahantra noho ny amintsika. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Talata 12 aprily 2022 — Talata Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 21-33. 36-38
Izay malaina amin'ny asany, ho tonga mahantra, fa ny tanan'ny mazoto kosa, manangon-karena. Ny fahamarinan'ny olo-mahitsy fo mamonjy azy; fa ny olona mpivadika kosa, voafandriky ny haratsiany. Ho tratry ny fahantrana izay tia fifaliana, tsy mba mitombo harena izay tia divay aman-diloilo manitra. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Alatsinainy 11 aprily 2022 — Alatsinainy Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay! Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 1-11
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco