Sabotsy 26 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 9-14

Ny zava-nisy dia nifarana ny ady tao amin'i "Golfe de Persique". Namaha ny olana teo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa no votoatin'ity ansiklika ity. Isan'ny olana goavana ny fampiasana renivola sy ny asa, izay nampisongadina ny elanelana teo amin'ny mahantra sy ny mpanana. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Zoma 25 marsa 2022 — Fankalazana ny filazan'ny Anjely — Tonga nofo ny Teny ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38

Faha-zato taonan'ny "rerum novarum", nirodana ny rafi-pitondrana Sovietika (1989). Nahasongadina ny fivelarana amin'ny lafiny mahaolona ary noresahina ny maha samy hafa ny fandrosoana sy ny fivoarana. Ny fivoarana  marina dia tsy afaka ny hianona amin'ny harena fotsiny. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...