Antsoin'Andriamanitra hadio ny relijiozy, noho ny fanarahan-dia an'i Kristy. Fanahafana an'i Kristy nisafidy ny hadio no antony iainan'ny relijiozy ny voadin'ny fahadiovana. Hoy ny voalaza ao amin'ny Matio 19, 12 : ary misy olona tsy manam-bady an-tsitrapo noho ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Zoma 25 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 1-12

Toy izao no nanehoan'i Kristy ny fahantrany izay tokony hotahafin'ny relijiozy : Nanao tsinotsinona ny fahamboniana nananany teo aloha Izy mba hampanankarena antsika olombelona (2 Kor. 8, 9). Misy toetra roa anehoan'ny relijiozy ny fahatrana : ny firotsahana sy ny fahatokisana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Alakamisy 24 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 40-49

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...