Ny eveka dia miantso ny vahoaka hanampy ireo pretra efa mamaly ny antso, no sady mijoro ho ray mpiahy. Manampy betsaka amin'izany ny vavaka iarahana amin'ny Masina Maria Renin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
Alahady 2 janoary 2022 — Ny nisehoan'ny Tompo na Epifania — Efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 1-12
Manana adidy ny pretra efa eo amperinasa amin'ny alalan'ny fahatsorany manao ny asa pastoraly. Ny fifandraisany aman'olona sy ny fahaizany miara-miasa no misarika ny tanora, ny fijoroany ho zoky mpitantana. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
Sabotsy 1 janoary 2022 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 16-21
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco