Raha niresaka tamin'ny pretra sy ny relijiozy ny Papa tamin'ny fitsidihana teto Madagasikara dia nanamarika fa maro ny olana eo amin'ny fiainan'ireo pretra sy relijiozy ireo. Ny fotoana rehetra, ny toerana rehetra dia tsy maintsy hitoriana ny vaovao Mahafaly, toa tsy ampy hatrany ny pretra ary misy ny fiangonana any ambanivohitra aza tsy mahazo lamesa mihitsy. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
Alatsinainy 27 desambra 2021 — Masindahy Joany, Apôstôly, evanjelista — Andriamanitra ô, midera anao izahay, mankalaza anao izahay; ary mihoby anao ny antokon'ny Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 2-8
Ho antsika eto Madagasikara, ankoatra ny fiofanana eny amin'ny Seminera zandriny, maharitra sivy taona ny fiofanana ho Mpandraharaha masina : dingana propedetika iray taona, filozofia telo taona, firotsahana ara-pastoraly "Régence" roa taona ary dingana teolojika telo taona. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Alahady 26 desambra 2021 — Ny Fianakaviana Masina tao Nazareta — Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 41-52
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco