Mitaky fandaminana sy fifampifehezana tahaka ny amin'ny fiaraha-monina rehetra ny fiainan-drelijiozy, mila mpandrindra, mitaky fanekena. Ho an'ny relijiozy, ny fanekena dia sitrapon'Andriamanitra ; hoy i Md Paoly : " aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana ara-panjakàna...". Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Zoma 7 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 12-16
Alakamisy 6 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 14-22a
Tsy hoe ilaina fotsiny ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra fa adidintsika rehetra. Samy manana ny anjara tandrify azy avy, noho izany dia samia manatontosa ny andraikiny. Manao ny adidy ary mahatoky an'Andriamanitra isika mba ho masina sy ho maro ireo mamaly ny antso. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco