♦ Ny valanjavaboary Bemaraha dia ahitana ireo tsingy. Valanjavaboary tantanan'ny Madagascar National Park's izay mahasarika mpizahan-tany maro. Toerana ahitàna karazam-biby maro toy ny gidro... ♦ Ny Bokiboky dia biby madinika mihinan-kena manta, mampinono. Ny Bokiboky na ny  "mungo" dia mirefy 264-294mm ny vatany, 191-209mm ny rambony, 475-626g ny lanjan'ny lahy ary 450-740g ny vavy... 

Ny tontolo iainany sy ny manodidina dia misy fiatraikany eo amin' ny fahatokisatena; songadinina manokana amin' izany ary ny haino aman-jery. (21-04-2021)

Ny aretina no hiadivana ao anatin'ny tanjona ara-pahasalamana. Ny aretina no mampikorontana ny rindra efa ao anatinao, noho ny antony maro samihafa, io no tianao haverina ka io ilay tanjona ara-pahasalamana. Mila manova toem-po sy toe-tsaina isika entina miatrika ny valan'aretina, mitaky ezaka izany ary mila fahalalana ho fototra... 

Maro ny fanafody miparitaka ankehitriny, 30% ny olona no mety ho tratra ny tsy fahazakàna fanafody. Tandindomindoza ny fahaveloman'ny ollona raha sanatria ka mihombo ilay tsy fahazakàna. Ireo fambara ahafantarana azy dia mety hisy hidihidy ny hoditra izay somary mena sy mivohitra, mandoa, mivalana, mihenjana ny ozatry ny kibo, tsentsina ny orina, maso mena, fivontosana any amin'ny faratenda,  ary mety hafaty aingana... 

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...