Fanamby lehibe ho an'i Madagasikara ny fahavitan-tena ara-bary. Manao ny ezaka rehetra ahatratrarana ny tanjona ny governemanta ankehitriny ary mba ahafahan'ny tantsaha misitraka ihany koa ny fahafahana rehetra ahafahany mamokatra araka ny nambaran'ny ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono Ranarivelo Lucien... 

Ny herisetra miankina amin'ny fahasalamana dia ireo karazana fampijaliana rehetra avy amin'ny fiteny, ny fihetsika ary ny fitondran-tena mahatonga fahavoazana sy fangirifiriana ara-batana, ara-pananahana, ara-tsaina, ara-panahy, misy ifandraisany amin'ny fahasalamana. Tsy maintsy mifampitsinjo ny isan-tsokajiny raha tsy izany dia mifampanao herisetra sy mifamono mivantana na ankolaka eto isika rehetra... 

Ny sokatra radiata dia harena voajanahary tsy hita afatsy any amin'ny faritra Androy sy Atsimo-Andrefana. Ny Turtle Survival Alliance "TSA" dia isan'ireo mpiaro ny sokatra ka 25.000 isa sokatra  no sahaniny izay sokatra azo tamin'ny olona nandika lalàna na ireo nokasaina hoanina na haondrana antsokosoko. Miroso amin'ny famerenana ireo biby ireo amin'ny tontolo misy azy ara-boajanahary ny TSA... 

 Ny endrika ivelany isehoan' ny "Terintsaina" na "Stress" eo amin' ny olona tratrany.(17-03-2021)

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...