Omeo lanja hatrany izay efa manandanja aminao hatramin'izay. Mila manontany tena isika. Raha te ho vahaolana dia ilaina ny mametraka ny zavatra rehetra amin'ny toerany sahaza azy araka ny lanjany. Matetika isika dia very amin'ny hamehana ary manadino ny manandanja. Raha ny fahamaikana no hatao fiainana dia tsy ho tafita isika... 

Ny fandaharana dia namaritra tetiandro, indrindra amin'ity taona ity dia ny firesahana ny tanjona ara-pahasalamana mahakasika ny vehivavy. Mba hanampiana ny vehivavy ohatra ny firesahana ny antony mankarary kibo ny vehivavy rehefa ao anatin'ny fadimbolana ; satria potika sy miharava ny rindrin'ny tranon-jaza. Misoroka  ny fanaintaina  ny fisotroana rano mafana...

Rehefa miakatra be ny fatran'ny siramamy ao anatin'ny ra dia ny lalan-dra no mizaka azy voalohany. Ny lalan-dra madinika no tena voakasika indrindra, ohatra ny amin'ny maso  izay mety hitarika areti-maso, katarakta ary mety ahajamba mihitsy aza. Raha ny amin'ny retsika kosa no hiantefan'ilay diabeta dia lasa tsy mandre intsony. Maro ny aretina mety ho vokatry ny diabeta : aretin'ny voa, tosi-dra... 

Naneho firaisan-kina namboly hazo tao amin'ny fokontany Ambohimanatrika Kaominina Mahitsy ato amin'ny distrikan'Ambohidratrimo ny Ivon-toeram-panofanana CEDAR eto amin'ny faritra Analamanga... 

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...