Alahadin'ny paka : Nitsanga-ko velona tokoa i Jesoa ; efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin'ny Tompo. Tsy zavatra efa lasa no ankalazaintsika amin'ny Paka fa tena miditra ao amin'ny Misterin'ny Pakan'i Jesoa isika olombelona, dia izy nijaly sy maty ary nitsanga-ko velona. Isaky ny manao ny Sorona Masina ny Eglizy dia mankalaza ny Pakan'i Jesoa. Isaky ny manatrika ny lamesa sy mankalaza ny Paka isika dia mihaona amin'i Jesoa tafatsangan-ko velona. Ny fijoroana vavolombelona dia mitaky fiovan-toetra, satria efa nodiovin'i Jesoa, rehefa resiny ny fahafatesana, dia ny toetra ratsy sy ny tsy mety natao teo aloha, ary izany no ezaka amin'izao Paka izao, ka mba ho hafaliana ho ao an-tokantrano...
Alahadin'ny sampan-kazo : fahatsiarovana ny nidiran'ny Tompo tao Jerosalema sy fandinihana ny nijalian'i Jesoa Kristy. Ho antsika dia nanolon-tena i Kristy, nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana, ho valin'izany dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra izy ary nomeny anarana ambony mihoatra ny anarana rehetra. Zavatra roa mifanohitra no hita taratra amin'ity fankalazana ity dia fifaliana, fiombiana ary fanamelohana, fivadiham-pitokisana. Misy ny tsy fahamarinana hita taratra tamin'ny fitsarana an'i Jesoa, mbola mitohy ny fijalian'i Jesoa isaky ny mandika izay voalazan'ny Evanjely, isika. Ho antsika izay hiaran'ny tsindry hazo lena dia ohatra ho antsika i Jesoa, banjino izy, raha mino isika dia hiara-velona aminy...
Alahady fahadimy amin'ny karemy : Te hihavana amintsika Andriamanitra ; raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran'ny mpanompoko. Miantefa amintsika Kristiana ankehitriny ny fanirian'Andriamanitra, te ho Andriamanitsika Andriamanitra. Mila mandini-tena isika ka mametraka fanontaniana hoe : efa mifanaraka amin'ny antson'Andriamanitra ve ny atao rehetra, ekeko ve ny fitantanan'i Kristy, mitombo ve ny fifandraisako amin'Andriamanitra?. Ny famonjena dia tsy natao ho an'ny Jody irery fa ho an'ny firenena rehetra. Ny fitiavana sy ny fanoloratena dia mety hitondra fijaliana sy fahafatesana, izay mitia na tiavina dia mahatsapa sambatra sy faly, izany no maha voambary nafafy antsika, maty vao velona...
Alahady fahaefatra amin'ny karemy : tia antsika mpanota ny Ray ; lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. Ny farisianina dia olona tsy nifankahazo tamin'i Kristy anefa niantso azy hoe Mpampianatra, ho an'ny olona misokatra amin'i Jesoa dia hambarany aminy ny tsiambaratelon'ny famonjena sy ny batemy, ny misterin'ny fijaliana sy ny fitsangana-ko velona ary ny fitsarana farany. I Jesoa no fanomezana lehibe indrindra avy amin'ny Ray, mba hitondra famonjena ho an'ny olombelona sy hananana ny fiainana mandrakizay.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco