alahady fahatelo amin'ny karemy : tsy mamela hipetra-poana ny fitiavana an'Andriamanitra ; lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra an' izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany lahitokana mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino azy. Ny tena tenimpoly dia i Jesoa izay misy ny Ray ; tsy azo vidim-bola Andriamanitra, nitondra ny tenin'Andriamanitra Rainy i Jesoa, miantefa amintsika ihany koa izany ka arovy mba tsy ho fitadiavam-bola ny fiangonana fa mba fampandrosoana araka ny tokony ho izy sy araka ny finoana no hatao ao. Mila miezaka isika mba tena fanamasinan-tena sy vavaka no haleha any am-piangonana, mila meneho finoana isika rehetra amin'izay hatao sy ny fihetsika. Mila manao ezaka isika mba hanadio ny fo sy ny vatana ary ny fanahy.
Alahady voalohany amin'ny karemy : te hiavana amintsika Andriamanitra ; tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa ny teny rehetra haloakan'ny vavan'Andriamanitra. Miditra amin'ny vanim-potoana karemy izay maharitra 40 andro isika ary ny alarobian'ny lavenona no nanombohantsika izany. Mila manao dingana isika ho amin'ny fihavanana amin'Andriamanitra : manao ezaka hiala amin'ny fahazaran-dratsy, manao asa fivalozana sy asa soa, hifady anina sy hifehy tena. Andriamanitra dia manao dingana voalohany mba hiavanany amintsika olombelona : izy Andriamanitra dia nanao fanekem-pihavanana tamin'ny olombelona sy amin'ny taranaka mandimby, tahaka ny tantaran'ny safo-drano.
Alahady fahaenina tsotra mandavan-taona : Sitrana ny boka ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana hoy ny Tompo, tsy misy olona makany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. Evanjely masina nosoratan'i Md Marka 1, 40-.45 : Ary nisy boka anankiray nanatona azy nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: Raha mety hianao dia mahay manadio ahy. Nangoraka azy Jesoa ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: Mety aho, madiova hianao... Ny vakin-teny anio dia miresaka ny lalàna sy ny momba ny boka izay tsy maintsy miseho amin'ny mpisorona manamarina fahasitranany... Maro ireo haboka ara-panahy mahazo ny olombelona ka izay no ezahina tsaboina ao amin'ny Tompo.
Alahady fahadimy tsotra "B" : Misy antony ambony ny fijaliana. Ao ambadiky ny tsy takatry ny sain'ny olombelona dia Andriamanitra no tokony hianteherana, tahaka izay niainan'i Jôba. Ny olona tsy mahazo ny dikan'ny fiainana dia mametram-panontaniana amin'ny tenany, lalana iray hikarohana an'Andriamanitra ny loza amam-pijaliana eto antany. Mila miady sy mandà ny fahadisoam-panantenana ny olona, ary mitodika amin'Andriamanitra fa miaro ny ory sy ny mahantra izy. Maneho ny Eglizy trano ny tranon'i Piera, izay nisy an'i Kristy, ny Eglizy olona kosa dia ireo mpianatr'i Jesoa ; hita taratra amin'ny Evanjely novakiana teo ny fanompoan'ny olombelona ny Eglizy. Samy manana anjara toeram-panompoana ao amin'ny Eglizy isika rehetra...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco