Alahady fankalazàna ny sakramenta Masina sorom-pihavanana sy sakafo mampiray ny Eokaristia ; Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo: izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay. Ao amin'ny vatantsika olombelona dia andraikitra lehibe ny asan'ny ra : hery, aina, sakafo, fiadiana hanoherana ny aretina ; sitraki Kristy no nanolorany ny rany nalatsany teo amin'ny hazo fijaliana mba ho loharano hanovozantsika ny fiainana mandrakizay. Hoy Izy : raha tsy mihinana ny nofoko sy misotro ny rako ianareo dia tsy mba hanana ny fiainana ao aminareo. Ny manao Kaominio dia mandray ra vaovao ao amin'ny fiainana, ra an'ilay nitsanga-ko velona, ra mpanasitrana, mpanadio...
Alahady fankalazana ny Trinite Masina : Antsoin'Andriamanitra hiray fianakaviana aminy isika ; Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy. Tian'ny Eglizy hamafisina amin'izao fankalazana izao ny Misterin'ny Trinite Masina. Hoy Md Anthanase : Raha Andriamanitra takitry ny sain'olombelona dia tsy Andriamanitra marina ; hoy Md Tertullien : ny Trinite dia avy amin'ny teny roa "Tri" sy "Unité" izany hoe telo fa iray. Mila mpampianatra katesizy ny Eglizy, mila vavolombelona hampivelatra ny finoana. Andrasana amintsika Kristiana ny hitovizantsika amin'ny Andriamanitra ray, Zanaka, Fanahy Masina : mifameno, mifankatia...
Alahady fankalazana ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apôstôly sy Masina Maria : Mpankahery sy mpanazava ary mpampihavana ny Fanahy Masina ; Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana. Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Ny fidinan'ny Fanahy Masina dia tsy nijanona tamin'ny andro niainan'ireo Apôstôly sy Masina Maria fa mbola mitohy hatramin'izao, indrindra rehefa miantso ny Fanahy Masina isika amin'ny vavaka atao...
Alahady fahafito fankalazana ny Paka : Fitiavana sy fahamarinana no tena endrik'i Kristy Fitiavana ; tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo. Aoka hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona. Izay mitoetra ao amin’ny fitiavana, dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. Ny votoatin'ny Evanjely anio dia ny fisarahana mahamenatra eo amin'ny olona sy ny fiangonana ; misy koa ny fisarahana izay efa tsinjon'i Kristy mialoha dia ny fisarahan'ny mpianatra amin'ny fitoriana ny filazan-tsara, eo koa ny fahasimban'ny firaisana Aminy, ary anton'ny vavaka nataon'i Jesoa hoe : Ho iray tahaka Antsika anie izy ireo...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco