Zafikelin'i Nenibe Rangory i Mirenty, izay fianakaviana sahirana ara-pivelomanana ; mpatsaka rano sy mpanasa lamban'olona no asa fiveloman'izy ireo. Anatin'ny tsy fahasalamana i Nenibe Rangory ary nanao ny ezaka hitsaboana azy i Mirenty. Feno 18 taona i Mirenty, tamin'io fotoana io indrindra no nanoloran'i Nenibe Rangory ny vatakely nisy ny hafatry ny renin'i Mirenty, sy nitahirizany ny tantarany. Namoy ny ainy i Nenibe Rangory andro vitsy taorian'ny nanolorany ny vatakely an'i Mirenty.  

Mpivady vita mariary ara-pinoana ingahy Tsoa sy ramatoa Rindra ; niaina tao anatin'ny fiadanana, fitiavana ary fahasambarana izy ireo. Manan-janaka mianadahy izy mivady ka ny voalohany dia i Julien lahikely teraka jamba ary ny zanak'izy ireo faharoa dia vavikely mahafinaritra. Mivarotra enta-madinika sy fiompiana ary fambolena no foto-piveloman'izy ireo. Ny fivarotana zava-pisotro toy ny toaka sy labera ary tovay no tena mandeha ; i Rindra no mitazona io tsena io.  

Fianakaviana niadana no nisy an'Ingahy Ra-Mily sy Sahondra vady ary ny zanany mianadahy dia Toky sy Felana. Maty i Ramatoa Sahondra renim-pianakaviana, izay manjavozavo ny antony satria fanapozinana tsy voafaritra. Enim-bolana taty aoriana dia nampiakatra an'i Ramatoa Dety ho vadiny Ingahy Ra-Mily, na teo aza ny fandavan'ireo zanany io fikasàna hanambady io.    

Ankohonana iray sahirana ara-pivelomana no misy an'i Koloina. Tsy nomeny fiaraha-monina hasina ity zazavavy fa zaza sary sy mahantra. Mangataka no fomba hanampian'i Koloina ny reniny, izay mpaka rano sy mpanary fako.  Noentin'i Harena tany an-tranony i Koloina, ary niaran'ny teny mahery sy fanilikilihana ilay zazavavy.... 

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...