Nividy trano malalaka iray i Don Bosco ; lafo ny vidin'izany kanefa fahagagana sy fitahiana no niseho. Nisy fanampiana ara-bola tsy nampoizina avy amin'ny andriam-bavy hantra olona sy mpivavaka ; manaraka izay dia nisy relijiozy iray nampiindrana vola azy, izay tsy nisy zana-bola. Nanangana Eglizy lehibe iray teo amin'ilay toerana i Don Bosco ka ny 20 jolay 1851 no nandatsahana ny vato-fototra voalohany... 

Namondronana ny olona toa ireo olona manan-kaja, ny Lahika, ny relijiozy sy ny mpanao pôlitika dia nosoratan'i Joany Bosco ho isan'ireo mpikambana ao anatin'ny Fikambanana Md Louis de Gonjagues izy ireo. Tao Turin tamin'ny taona 1846 : Nahiana ho vaky ny korontana ara-pôlitika ; ny volana janoary tamin'io taona io no voafidy ho Papa, ny Kardinaly Giovanni Maria Mastai Ferretti... 

Tojo tsy fahasalamana i Joany Bosco indray andro, notsaboinà mpamboly mahantra atao hoe Jean Chalosse izy rehefa nampiantranony. Ity lehilahy ity dia sendra olana taona vitsy  talohan'izao, ary nisy pretra nanampy azy araka ny fitantarany ; gaga izy rehefa nilazan'i Joany Bosco fa izy ilay pretra tamin'iny tranga iny. Hafaliana no nilazana fa : ankehitriny dia voavalinao tamiko ny soa ary tanteraka ilay hoe ny soa atao levenam-bola...

Tsy maintsy mitohy ny tantara ary tsy maintsy manohy mianatra i Joany. Nanapa-kevitra hizarana ny lova sy ny fananany i Margueritte Occhiena mba tsy hananany tsiny eo imason'ny fiaraha-monina sy ny zanany. Nanambady ihany koa i Antoine rahalahin'i Joany...

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...