♦ Ny ady ho amin'ny fitovian-jo sy fampanajana ny zon'ny vehivavy, no mbola takiana ho antsika eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika, Mialy Rajoelina, tany Toamasina... ♦ Mitaraina ireo mpandraharaha enina nahazo alalana hanondrana volamena any ivelany, fa nampakarin'ireo mpitrandraka any ifotony ny vidin'ny volamena... ♦ Nanjaka ny asan-dahalo tao amin'ny Fokontany Rangaina, Kaominina Fiaferana, Distrikan'Avaradrano. Nahazo “Poste fixe” ho an'ny zandary ity Fokontany ity...

♦ Omena sehatra ao anatin'izao vaovao antoandro izao ireo vehivavy, amin'ity datin'ny 8 marsa ity... ♦ Tsy misy fanavahana fa iharan'ny sazy avoko ireo rehetra voaheloka amin'ny fanolanana, ary efa nanome toromarika ny hampiharana ilay fehezan-dalàna famaizana mikasika ny fanolanana, ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Efa manomboka milamina ny ao Manakara, tao aorian'ny fivoriana notarihan'ny Préfet any an-toerana...

♦ Natokana hanamarihana ny ady ho an'ny fitovian-jo feno ho an'ny vehivavy, ny andro anio 8 marsa... ♦ Tsy maintsy hirosoana ny fampiharana ny lalàna vaovao, ho an'ireo izay tratra manolana, hoy ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina... ♦ Miandrandra zotram-pifidianana malalaka, mangaragahara sy mampiaty ary azo itokisana, ireo fiarahamonim-pirenena miisa 22...

♦ Hitombo ny isan'ireo Solombavam-bahoaka handrafitra ny Antenimieram-pirenena. Misy ny kajikajy pôlitika ataon'ny fitondrana amin'izany, hoy ireo mpisehatra pôlitika sasantsasany... ♦ Nanamafy ny hirosoana amin'ny fampiharana ilay lalàna vaovao ho an'ireo mpanolana zaza ny Filoham-pirenena, androany... ♦ Nitombo avo enina heny, raha mitaha tamin'ny telo taona lasa, ireo Malagasy manao fizahan-tany anatiny. Tafakatra 63.000 ny isan'izy ireo tamin'ny taona 2023, araka ny antontan'isan'ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahan-tany...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...