• Hiara-hiasa, hifampizara antontam-baovao, ny ONE sy ny BNGRC, ary ny ONE sy ny SMA, mba hahafahana mandray fepetra momba ny fiarovana ny tontolo iainana. Tontosa teny Antanimora ny sonia fiaraha-miasa amin'izany...
  • Hisitraka orana tandrifindrahona arahin-kotroka ny faritra maro eto amin'ny nosy, ao anatin'ny telo andro ho avy, manomboka androany. Hidina ny mari-pana mandritra izay telo andro izay, indrindra amin'ny afovoan-tany...
  • Hitondra fampandrosoana ny tetik'asa Base Toliara, hoy ny Ben'ny Tanàna Dédé Vita Sidson. Ny tanànan'i Toliara izay efa nitondra ny anjara birikiny namaritra ny toerana hametrahan'ny orinasa ny fotodrafitr'asany...

  • Haverina eo ambony latabatra indray ny vinam-piaraha-miasa hanafoanana ny trosa nataon'i Madagasikara tamin'i URSS, ka havadika ho tetik'asa fampandrosoana aty Madagasikara. Nivoitra izany nandritra ny fitsidihana ôfisialy nataon'ny Filohan'ny Antenimieran-doholona tany Moscou...
  • Nisitraka vatsim-pianarana avy amin'ny fitondrana Marokanina, ireo tanora miisa 18 mianadahy nahazo naoty mendrika tamin'ny fanadinam-panjakana Bakalorea Teknika taona 2023...
  • Very toerana roa indray ny ekipam-pirenena malagasy eo amin'ny taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Tsy nitsaha-nihemotra ity ekipam-pirenena ity tao anatin'ny efa-taona nisesy...

  • Nivoaka androany vao maraim-be, tao aorian'ny fiakarany fampanoavana, ny fanapahana momba ireo olona miisa dimy tratran'ny zandary nitondra sokatra tsy ara-dalàana teny Morondava Antehiroka. Mialokaloka any am-ponja vonjy maika ilay olom-boafidy miaraka amin'ny namany miisa dimy...
  • Niverina namoaka vaovao teo amin'ny pejy Facebook indray ny CENI omaly tolakandro. Nisongadina tamin'izany ny tatitra ankapobeny momba ny isan'ireo Ben'ny Tanàna manerana ny nosy ny faritany...
  • Faran'izay maloto ny rivotra amin'ny tontolo iainana eto Antananarivo. Tafakatra 7 hatramin'ny 10 heny amin'ny fenitra apetraky ny OMS izany, hoy ny Météo malagasy...

  • Nafana avy hatrany ny ady hevitra pôlitika eto amin'ny firenena, ny ampitson'ny fetin'ny Noely...
  • Niverina namoaka vaovao indray ny CENI androany tolakandro. Tsy voka-pifidianana intsony, fa ny isan'ireo Ben'ny Tanàna azon'ireo antoko sy fikambanana nandrotsaka kandidà, manerana ny nosy...
  • Nanameloka ilay tranga fikasana handondrana volamena, ka nahavoarohirohy mpiasa iray eo anivon'ny Minisitera iadidiany, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...