♦ Nitatitra ny zava-nitranga nandritra ny fankalazana ny fetin'ny Noely faran'ny teo ny Polisim-pirenena. Nambara tamin'izany fa niisa 65 ireo olona voasambotra tao Antananarivo nandritra ny fety... ♦ Ankizy maherin'ny 1000 isa, marary any amin'ny hôpitaly, no nisitraka hafaliana nahazo fanomezana avy amin'ny mpiasa mpanao asa an-tsitrapo ao amin'ny orinasa Orange Madagascar nandritra ny fetin'ny Noely... ♦ Miatrika ny lasim-pivondronana any Antsirabe mandritra ny herinandro nanomboka androany ny Antilin'i Madagasikara Fivondronana V007, ao amin'ny EKAR Notre Dame de Lourde Fihaonana, Diôsezin'i Miarinarivo...
♦ Olona 7 no maty, marary 150 no nandalo fitsaboana teny amin'ny HJRA Ampefiloha, nialoha sy nandritra ny fetin'ny Noely omaly. Jiolahy 5 saika hanafika ihany koa no lavon'ny mpitandro filaminana... ♦ Mitaky ny tokony efa handinihina ny fisondrotan-karaman'ny mpiasa ho an'ny taona 2024 ny FISEMARE. Miantso ny vondron'ny mpampiasa ity sendikà ity mba hanome karama mahavelona ny mpiasa, noho ny fidangan'ny vidim-piainana amin'izao... ♦ Mety mbola hitohy amin'ity herinandro ity ny oram-baratra ka tombanana hiitatra saika amin'ny Faritra rehetra manerana ny nosy izany manomboka ny alakamisy izao hoy ny vinavinan'ny Météo. ho an'ny herinandro hamaranana ny taona...
♦ Niatrika ny fetin'ny Noely tao anaty filaminana ny Malagasy rehetra hatramin'ny omaly. Nosembanin'ny oram-be sy avandra izany fety izany ho an'ny toerana teo Antananarivo ho an'ny omaly tolak'andro... ♦ Tsy dia nisy loatra ny fiatoana toe amin'ny sehatry ny pôlitka na ny "trêve politique" noho ny fetin'ny Noely sy ny taom-baovao. Anisan'ireo tsy nampihatra izany ny antoko MFM noho ny fahitan'izy ireo ny raharaham-pirenena tato anatin'ny 3 volana farany... ♦ Midina eny amin'ny Fokontany eto amin'ny Faritra Analamanga manomboka izao ny FISEMARE, mampahanfantatra ny rehetra fa zava-dehibe ny fidirana anaty sendikà. Tsy ny mpiasa amin'ny orinasa ihany no tokony hiditra sendikà sy arovana amin'ny zony hoy izy ireo...
♦Tsy hisy fiovana amin'ny andavan'andro, tsy hisy hampiavaka azy manokana ny fiatrehana ny fetin'ny Noely ho an'ny ankamaroan'ireo olona nanaovana fanadihadiana... ♦ Voararan'ny lalàna ny famonoana sy fivarotana hena tsy mandalo toerana voatokana, izay mety hampiparitaka valan'aretina hoy ny tale jeneralin'ny fiompiana LeZoma Tsiry Andriamahatola... ♦ Tsy tokony hihoatra ny valo fara-fahabetsany ny isan'ireo ministra handrafitra ny governemanta vaovao hatsangan'ny filoha hoy ny jeneraly misotro ronono sady ministra teo aloha Tsaranazy Jean Emile... ♦ Miantso amin'ny hampitomboana ny fanampiana maha olona sy ny fahalalahana amin'ny fivezivezen'izany ao Gaza ny Filan-kevim-pilaminan'ny firenena mikambana...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco