♦ Sahirana amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra manoloana ny fepetra vaovao apetraky ny amerikanina amin'ny entana miditra any aminy ireo tompon'ny orinasa. Nihaona tamin'ny Ministry ny Asam-panjakàna sy ny Asa ary ny Lalàna Sôsialy ny vondron'ny Orinasa Afak'Haba eto Madagasikara... ♦ Miofana amin'ny tsara ho fantatra momba ny teti-bola ny firaisamonim-pirenena malagasy. Ilaina ny mangarahara amin'ny fandrafetana azy raha tiana ny ahazoana vokatra tsara ho an'ny toe-karena sy sôsialy hoy MSIS TATAO... ♦ Miara-miasa amin'ny fahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny fahavitantena ara-tsakafo...
• Nambaran'ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, Kaomandin'ny Zadarimariam-pirenena teo aloha, fa tsy misy ambadika politika ny lahateny nataony ny 2 avrily 2025, nanamarihana ny Andron'ny Zandarimariam-pirenena... • Mandindona an'ireo mpiasa an'alina eto Madagasikara ankehitriny ny tsy fananana asa, tao aorian'ny fampiakaran'ny fitondrana amerikana ny haban-tseranana amin'ireo entana miditra any aminy... • Azo antoka ny fiantohana ny fiarovana ho an'ny sidina an'abakabaka miditra eto Madagasikara. Nihatsara ny laharana misy an'i Madagasikara eo amin'ity sehatra ity...
♦ Dinihana mandritra ny filan-kevitry ny Ministra sy Governemanta amin'ity herinandro ity ilay tataon-ketra 47% alain'ny amerikanina amin'ireo entana malagasy miondrana any amin'izy ireo... ♦ Ilaina foana ny fisian'ny fifampidinihana an-databatra boribory eo amin'ireo manohoitra sy ireo manaiky ny hirosoana na tsia amin'ny tetik'asa Base Toliara hoy ny Sekretera Jeneralin'ny harena ankibon'ny tany sy ny Loharanon-karena stratejika teo aloha Imbiky Herilaza... ♦ Tsy maintsy hisy fanovana entina amin'ny fandaharam-pianarana eny anivon'ny sekoly fampianarana teknika, fanovana natao hifanaraka amin'ny fiovan'ny toetry ny andro sy takian'ny vanim-potoana...
♦ Miankina amin'ny fahaizan'ny mpitondra miady hevitra sy mandresy lahatra ny mety hidinan'ilay tataon-ketra 47% takian'ny fitondrana Amerikanina hoy ny solombavambahoaka Imbiky Herilaza... ♦ Mahatratra 14 tapitrisa Dôlara no vola very momba ny jono tsy manara-dalàna ho antsika eto Madagasikara. Manana drafitr'asa nasiônaly momba ny jono tsy manara-dalàna... ♦ Mandalo eto Madagasikara manao tombana ny asa natao tamin'ny alalan'ny tetik'asa notohanany ny iraky ny RI-FAR avy any Frantsa. Isan'ny notsidihiny ny famokarana ataon'ireo tanora ao amin'ny fikambanana Soa Mitsinjo Antanetibe-Mahazaza...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco