♦ Antsoin'Andriamanitra hamonjy ny olombelona avokoa isika rehetra tsy misy ankanavaka hoy ny Arsevek'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin'ny fankalazana ny andron'ny Arsidiôsezin'Antananarivo ny sabotsy 23 aogositra 2025 teo... ♦ Niampy roa indray pretra salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara. Notanterahina tao amin'ny Ekar Notre Dame de l'Assomption, Betafo, Diôsezin'Antsirabe ny fanamasinana azy ireo omaly 24 aogositra... ♦ Raharaha Boeing 777 : Nahiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo voapanga 22 niatrika ny fampanohavana ny faran'ny herinandro teo, miandry ny HCJ kosa ny fahafahana manenjika ny Ministry ny fitanterana teo aloha...
• Tafakatra amin'ny lalao manasa-dalana ny Barean'i Madagasikara, rehefa naharesy an'i Kenya tamin'ny “tirs au but” 4 no ho 3. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta tao aorian'ny fanalavam-potoana... • Tsy azo ekena ny fahateren'ny fahafahana maneho hevitra sy ny fahalalahana ara-politika ao amin'ny tany mpikambana ao amin'ny SADC. Isan'ny nivoitra tamin'ny fehin-kevitry ny Forum an'ny firaisamonim-pirenena ao amin'ny SADC izany... • Miantso ny firaisan-kinan'ny mpanao gazety rehetra tsy hanavahana Andriamatoa James Ramarosaona, Filohan'ny Holafitra teo aloha, manoloana ny olana iainan'ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara tato ho ato...
• Nandefa teny fiarahabana sy tsodrano ho an'ny Filohan'ny Fiangonana FJKM vao voafidy, ny Fivondronamben'ny Eveka androany... • Mbola maresaka eo amin'ny sehatra politika ny fitantanan'ny Filoham-pirenena Malagasy ny vondrona SADC manomboka izao... • Miandry fatratra ny lalao ampahefa-dalan'ny CHAN, hifanandrinan'i Kenya sy i Madagasikara ny mpanohana ny Barea. Lalao hiady io rahampitso io, hoy ny mpamakafaka baolina kitra...
♦ Andro faha-4 amin'ny fihaonambe "Forum" ho an'ny firaisamonim-pirenena ao amin'ny SADC tanterahana eto Antananarivo ny androany. Nisy omaly ny atrik'asa momba ny fandraisana andraikitry ny vehivavy amin'ny raharaham-pirenena... ♦ Miara-miasa amin'ny fanavahana sy ny fanodinana ny fako ao Toamasina ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy sy ny Orinasa Agrotech. Tontosa omaly ny sonia momba izany... ♦ Miatrika zaikabe ao Antsirabe ny tanora avy amin'ny Fiangonana Anglikàna eto Madagasikara (EEM) Tanora miisa 2.000 avy amin'ny Diôsezy enina manerana ny nosy no mandray anjara...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco